29 Mars 1947, Fahatsiarovana. « Indrisy re ry Gasikara », Nitiah Nosy Poeta.

Amin’ity 29 Martsa ity dia ity ny tononkalo atolotro ho fampieritreretana :

Photo de Nitiah Nosy - Poeta.

INDRISY RE RY GASIKARA

 

Dia nahita atambo hatrany,
mila hidaboka amin’ny tany.
Tsy fantatra ny tena marina,
nofinofy ny ho tafarina.

Ny tetiky ny olom-bitsy:
hanao “AZY” ho tolo-bidy;
tiany alefa ambongadiny,
dia io fa mody korontaniny.

Ny vahoaka nogejainy,
mainka koa nampahantrainy;
nobadoiny tsy hivoatra
hamitsa-dava, tsy hitroatra.

Harena maro no giazany,
sy ilibany toa fananany.
Tsy miahotra mandroba,
manao ireny ho varoboba.

Tsy vitsy nefa ny olon-tsara,
maniry hanova ity tantara,
Fa basy no nirangaranga,
dia tola tsy afaka nitranga!

Indrisy re ry Gasikara,
lany vatsy, ratsy fara;
tsy mandohalika akory,
fa nitsinkasina… Natory.

Ry mpambotry firenena
Meteza ianao hitsara tena,
Manody anie ny ratsy atao,
“rà” Malagasy no aminao…

Nitiah Nosy
27/05/15

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s