« Ny mpandresy », Nitiah Nosy.

 

Ny mpandresy…

 

Ny rabin’ireo mpanakiana,
tsy mba entiko hanariana:
izay safidy nitondrako,
ny lalam-piainana ombako!
Ny enjiky ny mpankahala,
tsy ataoko hanadala;
na hanovako ny fisainako,
sy ny fombafomba fiainako!

Ny adim-piainana atrehana,
tsy hitondra faharendrehana;
mainka aza hampitraka,
hanefy ahy ho tompondaka!
Ny sedra izay mivaivay,
tsy mba hampihontsona ahy!
Ny tsiky ny ahy no hasesisesy,
fa fahombiazan’ny mpandresy!

Raha te ho lavitra taraina,
dia misikina herin-tsaina!
Reseo anaty fitsikiana,
ny vesatry ny hakiviana!
Ny mpandraby sy tsy tia,
hangaina, hiala maina ery;
ra’ tsy hierehana, tsy ahoana,
fa avela hinaonaona!

Nitiah Nosy
30/03/16
08:10

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s