« Faran’ny kofona io », Nary (Mamitiana Randrianarison)

 

FARAN’NY KOFONA IO

 

Faran’ny kofona e, faran’ny kofona
Tsy maintsy taritina na efa mitrosona
Hanentanana ireo izay mby tsy mahalala
Mitady pi-maso amin’ny reny malala?!?

Faran’ny kofona e, faran’ny kofona
Vola any izany ka iza no tsy hihosona?
Hidedaka indray ry Bemievotrevotra
Ireto izy efa dodona sy kevokevoka

Faran’ny kofona e, faran’ny kofona
Toa mankadilo mankarenin-tsofina
Inay rehareha sa atao tako-kenatra?
Mba mody lalorina atao tematemaka

Faran’ny kofona e, faran’ny kofona
Fanjanahana foana no renay mamofona
Foana tenim-bozongo no aindraindra
baikony koa va vao afaka hamindra?

Faran’ny kofona ny iray tanàna
Kofona trosa anaty fahantrana
Faran’ny kofona mihitsy ry gasy?
Mitazam-potsiny sy mihafihafy
Izao ny fako nariany no zary tinafy

NARY (Mamitiana Randrianarison)
27/03/2016

Photo de Mamitiana Randrianarison.
Photo de Mamitiana Randrianarison.
Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s