« Aleo miala », Nitiah Nosy.

 

ALEO MIALA

 

Nanapa-kevitra aho androany:
fa hamehy ny enta-keliko,
hisitaka any lavitra any
sao ho tojo ny tanteliko.

Aleoko ilaozan’ito lasy,
mamirifiry loatra ny eto;
tsy laitra intsony ny miafy,
ny aiko efa torovan-tsento.

Asiko teboka hifarana
ity tantarantsika roa.
Tsy nambinim-pahasambarana,
sy nitondrako jalim-po.

Ezahiko ny hankahala,
hanadino dieny izao;
fa tsapa efa mamanala:
hatramin’ilay fijerinao.

Fitia tsy nahitana tory,
tsy nahateleman-kanina;
mangidy fara, mampahory
tsaratsara tsy hitarina.

Ny mety dia manova tafa,
tofoka aho ny miangavy.
Aleo mamindro any an-kafa,
« ny hatsiaka eto » mampanavy.

Nitiah Nosy
02/08/15
16:31

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s