« Namana », Christiane Ramian.

 

Namana,

 

Raha miondrika ianao fa tsy zaka ny saina
Kivy ambony ihany mihevitra ny tsy vita
Aborahy ny mavesatra, etsy hozaraina
Hiaraha-mihevitra sy iaraha-mahita

Ataonao inona aho raha tsy hifanampy
Inona moa ny hevitry ny finamanana,
Ho any ankafa ve ianao no hiatsampy
Izaho anefa eto efa mitam-pihavanana.

Kanefa moa ny safidy anao irery ihany,
Isika samy olondehibe mahaleo tena
Tsy zakako ny mijery anao mitomany
Tsy vitan’ny foko ny mihenahena

Mahereza raha tsy hizara amiko ianao,
Mirary anao hahavaha olana izaho
Ny namana anie tsy voafetran’ny lalao
Fa natao ho elo amin’ny ora-mitraho.

© Chris. Christiane Ramian.

3/04/2016.

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire