« Tokantrano tsy hihafiana… », Nitiah Nosy.

 

TOKANTRANO TSY HIHAFIANA…

 

Mifona aho ry dada, mivalo aho ry neny;
‘zaho ‘ndeha hisitaka, handika ny teny;
hoe: « lamban’akoho itony fanambadiana,
ka n’inona hitranga tsy maintsy hihafiana! »

Impiry aho no niaritra teny mandratra,
ny ompa sy ozona narahin-datsa!
Ny fanambaniana tsy lazaina intsony,
hoe: « vehivavy tsy misy dikany itony! »

Angaha haiko akory ny vatan-karamany,
fa hatramin’izay tsy hita izay lalany!
Soa aho mba niasa an-tselika aloha,
ra’ tsy izany ny ankizy nijaly tokoa!

Ny fimamoana mitohy tsy miato,
nandry any ivelany koa tato ho ato!
Dia mody ‘zaho no hamoronany angano,
ra’ mba taratara no miditra an-trano!

K’eto ny tsontsori-mamba isarahana,
fa nanandrankandrana ny hikasi-tanana!
Isan’andro vaky aho no efa rahonany,
ny hamono ahy hono tsy hatahorany!

Afa-nenina aho ho’aho, ampy ahy izay,
misaraka hatreto no mety aminay!
Sao sanatria mantsy ny aina no hanefa,
ka dieny izao dia aleoko milefa!

Manahy ianareo amin’izay vavan’olona,
ny mpiray tanana, ny any am-piangonana;
dia ialako tsiny fa « mamy ny miaina »,
k’aleo ho azy ny azy raha hinainaina!

Ekeko fa ny olana dia misy foana,
ny ahy kosa efa mandavan-taona!
K’aleoko tsy misy ‘ra ho fihafiana,
na koa fiaretana no hanambadiana!

Nitiah Nosy
03/04/16
3 ora tolakandro

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s