« Vazaha Gasy Senegaly », Christiane Ramian.

Vazaha Gasy Senegaly

 

Raha mahamenatra anao ny atao ho gasy
Fa mahantra sy bado tsy mahay taratasy
Ka rehefa zava- bazaha dia mahafatifaty
Ny fitafy efa sisany avy no harantiranty…

Raha mahatsiravina anao ny tanàna
Ianao miangetsana miseho tsy tamàna
Tsy manitsaka tsena na sahy mifangaro
Fa ambonimbony noho ny be sy ny maro

Raha miaina ao ianao fa hiteny vahiny
Ny teny gasy tsy hainao ny fisiany
Ny haingo vazaha no ataonao moderina
Ny hanahaka azy no toa mahaserina

Dia mahantra indrindra ilay tanintsika
Fa ianao ilay tafita no mangatsiatsiaka
Very olomanga ilay tanindrazana
Tsy ny tanety ihany no ngazana…

Noheveriko ho any ianao hikolokolo
Hanamainty molaly ireo lava volo
Hay ve indrisy ka mpiasam-bazaha
Ka inona no anenjehanao ahy???

Ny samihafa kely, izaho mitovy zo aminy
Matetika aza, izay ahy no hindraminy
Rehefa raikitra ny ady izaho sahy mamaly
Fa ianao iny indrisy, lasa senegaly…

© Chris. Christiane Ramian.

5/04/2016.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s