« An’iza ny tany? », Mamitiana Randrianarison.

 

AN’IZA NY TANY?

 

An’iza kay ny tany… ?
Moa an’ny vahiny sa an’ny gasy ihany?
Hofongorina… Aringana?
Ny gasy ve voaozona tsy maintsy hifamingana?

An’iza moa ny tany?
Indreo ry menasofina ambara ho tompon-tany
Mandova… Mitavana…
Mba bado re ry gasy sahy mivaro-tanindrazana

An’iza indray ny tany?
Fa vaka re saina ka tsy sahy ny haminany
Kivy… Tovetraka…
Mahita ireto gasy mifampihetraketraka

An’iza moa ny tany?
Akory re ny hoavin’ity taniko amin’izany?
Potehina… Viraina
Mazàna toa tantanan’ny jiolahy tsy misy saina

An’iza moa ny tany?
Ry gasy mifandritaka…tsy leo mifanambany
Miady… Mifanilika
Ny vazaha no omena alalana sy atao mahita hirika

An’iza ho’aho ny tany?
Nomena zo hanjaka moa ireo mpanjanatany
Miliba… Miroba
Mangiana foana isika… Angaha dia badrahodra?

An’iza re ny tany?
Aminao mamaky no hamerenako ny ontany
Hanoa… Sa hitroatra?
Ka tsy hihemotra intsony na inona eo hipoaka

NARY , Mamitiana Randrianarison.
07/04/2016

 –

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s