« Ho an’Andriamatoa Filoha », Nitiah Nosy.

 

Ho an’Andriamatoa Filoha,

 

Ialako tsiny aloha Rajao,
raha mivantambantana aho ;
fa misy zava-tsy manjary,
aleo mihitsy haharihary!

Nilokaloka ianao Rajao:
fa ho “hery vaovao”!
Nefa aiza izao ‘zay eo?
Roa taona nitoreo.

Loza anie ity Rajao e!
Mila hanao tsy fanao,
anaty fahantrana lalina,
maloto aza mila hohanina!

Tsy lasa intsony ty Rajao a!
Tsory rehefa tsy hanao!
Fa mafy ny adinay vahoaka,
ny anao ny nangy mila hipoaka!

K’izao no izy re Rajao!
Saino f’efa lera izao!
“Ra’ tsy hahavita miala teo!”
Hoy ‘zahay vahoaka leo!

Izay no tsy aritra Rajao,
inoana fa nandona anao!
F’efa mampivatravatra,
‘ty fahoriana tsy omby tratra!

Nitiah Nosy
16/03/16
16:30

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s