« Ny vahoaka », Christiane Ramian.

 

Ny vahoaka,

 

Mampalahelo izy ireny
Fa tsy manan-tsaina hiteny
Andrim-panjakana rava
Mieboebo avo vava…
Olom-pirenena hono,
Nefa vokin’ny honohono
Atao fitaovana mpifidy
Sy entambarotra amidy
Tsy mahalala izay zony
Tsy mihevitra intsony…

Nampandoalihana ambany
Nitrotrongy tamin’ny tany
Hampanofisina ny lanitra
Mba handefitra sy hiaritra
Nanantena fahalalahana
Nefa mainka nozanahana
Dia tsy nanantsaina intsony
Fa tsy mipolitika hono
Tsy niraharaha ny fireneny
Ny teny midina no ekeny

D’iretsy nahazo seza iretsy
Nahita izany ka dia fetsy
Izay tiany no ataony
Ny lapa zary kilalaony
Dia izy mianakavy ihany
No manjaka amin’ny tany
Fivoriampianakaviana,
Fandavoana izay tsy tiana
Ny vahoaka efa nangina
Toy ny zavatra ompiana…

Dia izao miandry izao
Izay ataon’ny ambony ao
Ny mpanao gazety indray
Mampiady angely no mba hay
Tsy dia fantatra ny marina
Vahoaka bado tsy ampianarina
Tsy navela mba hivelatra
Ho mananjo hiaka-tsehatra
Kaodikaody sy olondia
Ery anjorombala ery.

© Chris. Christiane Ramian.

10/04.2016.

 Magro 2

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s