« Vikina hankaiza ? », Mamitiana Randrianarison.

 

VIKINA HANKAIZA?

 

Vikina iray… Vikina roa…
Esorina ialahy fa tsy tian-dramatoa
Andehana amin’izay moa entin’ny rivotra
Mba miala moa lesy fa aza mizizotra a

Vikina iray… Vikina roa…
Aza tia mieraera fa ekeo io aloha
Izay ve dia tsy ampy e?Mahaiza mionona
Ny solon’ialahy efa ela no vonona

Vikina iray …. Vikina roa…
tsy voky ihany ialahy nefa efa taona roa?
Efa ela nikitrana loatra ny vy
Izao voatery nalaiko ihany koa ilay sonia

Vikina iray… Vikina roa…
Tsy fantatr’iakahy moa fa izaho no filoha?
Ka aza be saina na manakorontana
Aleo aloha hilamina fa aza manontsana

Vikina iray… Vikina roa…
Soloiko ny nandra tsy hanao di-doha
Hanao ampamoaka na hanipy karatra
Na hihirahira an’ ireo halatralatra

Vikina iray… Vikina roa…
Rafotsy anie lesy efa hain’ialahy koa
Vikina telo…angamba hitrotrongy?
Be sitrapo anie Rakalamidongy…

NARY. Mamitiana Randrianarison.
11/04/2016

 

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s