« Fantatrao mesie Rajao…? », Mamitiana Randrianarison.

 

FANTATRAO MESIE RAJAO…?

 

Iza moa ingahy Rajao…?
Moa va tsy fantatrao?
Rangahy mievotrevotra
Tsy mahatapaka hevitra
Baikoan’ireo vahiny
Hanao ny sitra-ponyl
Toa mpivaro-tanindrazana
Hamokiany ireto havany

Iza moa mesie Rajao…?
Ataoko ho efa hainao
Sarintsarina filoha
Efa mpitantana taloha
Lazaina hoe vaovao
Mbola hiaraha mahita izao
Ny hagaigeny tsy mifarana
Hampahantra ts’isy farany

Iza moa ingahy Rajao…?
Mety tsy tadidinao?
Be safary sy kabary
Nefa hita izao mihary
Ny fanamparany herisetra
Ny halatra etsetra etsetra
izany izy hoe mpitondra
Afa-mamoaka ny any am-ponja

Iza moa izany Rajao?
Moa hoe fery vaovao?
Amiko tsy azo antenaina
Hitsinjo antsika mihitsy izany
Ary tsy mba hiasa saina
Mangorona dia izay hatrany
Sy miliba fahefana
Mampanjaka ireo karàna

Iza moa mesie Rajao..?
Ao fa ataoko fantatrao
Miseho be vava sy di-doha
Nefa fehezin-dramatoa
Hahato ireo sitra-pony
Ka tsy dia nahoany intsony
Ny hamadihana ny namana
Na hanovana fitantanana

NARY. Mamitiana Randrianarison.

24/04/2016.

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s