« Ampy izay », Christiane Ramian.

 

Ampy izay

 

Antaonany izay no nisaina nitady,
Ny fomba rehetra hanavotana anao
Tolotra, vavaka, tolona sy ady
Fa mbola rendrika ianao hatrizao…

Ny mpitondra foana no mpanakarena
F’ianao bokantrosa sy very baraka,
Nafoy hatramin’ny fahaleovan-tena
Ny vahiny sy ny hafa no lasa mpanjaka

Ny seza foana no navadibadika,
Efa iaraha-mahalala ny fetran’ny sainy
Ny valizim-bola misosa atsy ambadika
Ny lanjany hono no tena ilainy

Ireo fikambanana no sasatra miasa
Fa ny Fanjakana tsy hita izay vita
Tsy mbola heveriny akory ny hikasa
Ny mahamay azy dia ny ho any ampita

Aondrany daholo izay mety azo amidy
Ny biby, ny hazo, ny vato, vehivavy,
Tsy misy intsony izay hoe saro-bidy
Fa matin’ny mena mikiraviravy

Fito taona izay, mbola ampiana ary ve?
Avela handroaka izay tiany izy ireo?
Ianao Malagasy mangina tsy re,
Mimonomonona fa tsy misy feo…

Izao ry zareo a, rehefa tsy hiteny
Dia iareto eo fa hay tanty eo ihany
Sa ny sainareo mety ho efa notefeny
Handady hilelaka ery amin’ny tany?

Tsarovy fa anareo sy antsika ny tany
Izy ireo miserana, olom-boafidy
Ananantsika ny zo hanontany
Sy hitaky amin’azy ny asa sy adidy!

Maika ny hanongana nefa kely loha,
Tsy hita izay hay fa ny paosy ny feno
Rehefa miala eo io tokony handoa
Ny tombony azony f’izao dia teneno…

Ny tsimatimanota tsy hisy intsony
Tsy fotoanan’ny habadoana izao,
Ny FITSARANA marina no avonony
Asehoy fa VAHOAKA misaina IANAO.

© Chris. Christiane Ramian.

25/04/2016.

 –

ANkodimirana

Andringitra 1

Zanahary

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s