« Omeo ny zony », Nitiah Nosy.

 

OMEO NY ZONY…

 

Hotaomina aiza indray ry Dada ity sobika be ity?
F’ilay sosoako anikeheo tsy nanasaka lovia:
ny kibo ‘zany mbola refona nefa ve tsy maintsy handeha?
Ny hatoka manaintaina mbola hilanja harom-be!

Hamidy anio daholo ve ireto entana ireto?
Dia rahoviana aho no hilalao? Tsy nahalafo akory hatreto?
Indrisy nefa tsongo sofina no nasetrinao ry Neny:
« te handry fotsy angaha indry? » hoy ianao nasiaka teny!

Impiry moa izaho ry Dada no naniry ho an-tsekoly!
Novalianao boraingina sy tsy nahoanao akory:
hoe “ny abidy tsy mahavoky ary koa mandany ny azo,
ho an’ireo manan-katao fa tsy ho antsika mavomavo”!

Ny rehetra no aoka hisaina ary hahay haka lesona,
fa ny zanaka “velomina” fa tsy nateraka hamelona!
Lalao, fianarana, sakafo sy ny hafa ihany koa:
no ZO sahaza azy ireny k’aza atao kitoatoa!

Tsy hoe miana-kendry raha mandray ny fitenenana,
sao ‘lahy ny fahanginana no hahalatsa-panenenana!
Matoa anie ny zanak’olona no nisandratra ho ambony,
noho izy tsara kolokolo sy nisitraka ny ZONY!

Tsy ataoko be safary f’aleo ho tsorina ny resaka,
raha tsy ampiampy vatsy, aza maika aloha ny hiteraka!
Na ho entim-po mafana loatra ka zary lasa fohy fisainana,
fero ihany ny isan-jaza fa miha-sarotra ny fiainana!

Nitiah Nosy
17/04/15

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s