Magro Behoririka. Hisokatra tsy ho ela.

Magro hisokatra a

7 taona aty aoriana Hisokatra ny Magro Behoririka

04/05/2016

magro_mai_2016_001

Tao ihany koa no toerana farany nifamotoanan’ny mpitaky ny fiverenan’ny ara-dalàna sy namaranan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin’ny fomba ofisialy ny tolona.

Hiverina hisokatra ny Magro Behoririka, fito taona aty aoriana. Raha ny tetiandro re, dia ato anatin’ny tapabolana, amin’ny faran’ny herinandro ho avy io raha tsy misy ny fiovana, no hanoka-baravarana ho an’ny mpanjifa ity toeram-pivarotana anisan’ny nanana ny toerany teo amin’ny tsena sy fanjifana eto Madagasikara ity.

Hisy ny asa vaovao hiforona manaraka ity fisokafan’ny Magro Behoririka ity. Misy ny asa mivantana ho an’ireo hampihodina ny orinasa, fa eo koa ny asa an-tselika samihafa toy ny fitaterana sy ny famatsiana ireo entana hamidy ao anatiny, ankoatra ny vokarin’ny orinasa iray tarika aminy eo anivon’ny vondrona Tiko.

Famerimberin’Atoa Marc Ravalomanana ny fahavononany hitondra anjara biriky amin’ny fanarenana ny firenena izay latsaka ankaterena, ny vahoaka miaina anaty fahasahiranana lalina, ka endrika iray isehoan’izany fandraisany anjara izany ity fanokafana ny Magro Behoririka ity, izay ho santatry ny fisokafan’ireo orinasa hafa eo anivon’ny Tiko, hamerenana ireo asa an’arivony very taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009.

Jean D. TiaTanindrazana.

Marc Ravalomanana. Réouverture de Magro-Behoririka. 21 Mai 2016. GValosoa.

Marc RAVALOMANANA 

Asa fa tsy kabary!

Notokanana sy nosokafana tamin’ny fomba ofisialy anio asabotsy ny tranom-barotra « MAGRO AAA ». Hohita ao avokoa ireo vokatra vokarin’ny Orinasa TIKO izay nitondra avo ny vita Malagasy hatramin’izay.

« Efa voadinay mianakavy ny hanasoa ny mpiara-belona aminay. Nomen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana hanao izany aho ka zaraiko satria fitaovana ihany isika fa Azy izao orinasa izao » : Marc Ravalomanana, Filoha mpanorina ny Orinasa TIKO.

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s