« Ny alahelonay e », Mamitiana Randrianarison.

.

NY ALAHELONAY E

 

Atao akory moa
Tafiotra tia mifaoka
Ireo tsy manan-tsiny
I Rafahafatesana
Sinaingy koa sinaingy
Tsininao mpamily
Raha toa tsy fitandremana
Na haitraitranao…
No nandravanao hoavy
Mba nisy nanantena…
Am-pon’ny ray sy reny

Atao ahoana moa
Izay no mety anjara
Linahatry ny vintana
Hitonona iny andro…
Sinaingy ho’aho sinaingy
Tsininao mpiandraikitra
Namela gaboraraka
Hanjaka sy higalabona
Izao tsy tana intsony
Namarina any an-kady

Indrisy moa indrisy…
Izao no sisa eto…
Mitsetra mitomany…
Hoe jaly ny eto an-tany?!?
Sinaingy ka sinaingy
Raha nisy fitsinjovana…
Fahamailona kely
Fa aina ireto entina
Mba mety hitandremana
Dia tsy nanam-pondro ianao
Nanimba fiainan’olona…

Akory moa atao
Mionona tsy fidiny
Mizaka fahoriana
Tsy laitra atao an-tsoroka
Sinaingy ho’aho sinaingy
Ho ozona ho anao
Tomanin-dreo tavela
Niandry nanantena
Ny hiverenan-janany
Nanaovanao ankaso
Noho ny fimamoana…

Andraso io fa hidona e….

 

NARY. Mamitiana Randrianarison.

4/05/2016.

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s