Tarainan’ilay « Mafy ady », Nitiah Nosy.

 

Tarainan’ilay « Mafy ady »

 

Efa mila hitresaka
ny zanak’atidohako.
Ny aina: ana, reraka
kanefa he ‘ty volako!
Izay mba azo androany,
tsy mahavidy laoka;
na dia anamamy,
fa vary iray kapoaka!

Io no mba vimbinina,
atao sosoa be rano;
tsy maintsy ‘zay tsinona,
fa maro ny ato an-trano!
Asiko ambiny ihany,
eto ampelantanako:
amidy solitany,
jiro ianaran-janako!

Rahampitso angamba,
ho tsaratsara tsena;
‘zaho tsy hihambahamba,
hivanga taovan-kena!
Dia hitondrako mofo,
i Fetra keliko iny;
akondro ny an-dRalofo,
fa io no tena tiany!

Asa re rahoviana,
no tsy hisotro intsony:
tangenam-pahoriana
mangidy ohatr’itony?

Nitiah Nosy
11/12/15
20/07

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s