« Tarainan’ny tany », Christiane Ramian.

Tarainan’ny tany.

 

Eto anivonao no misy anay rehetra,
Ny sitraponao no didy tsy voafetra
Ampelatananao ny aminay manontolo…
Izahay mitondra aina dia ilay tontolo…

Ianao RaOlona no mitrandraka ny ala,
Mandripaka ny hazo, tsy ankisalasala,
Mandoatra ny ain’ny tany, sy mamono biby
Avadikao vola rehefa zava-tsarobidy.

Doranao izahay raha ilainao ny orana
Avadikao kitay ny sisa nanamborana
Laloranao simenitra, tsindrina godorao
Mba hisosan’ny fiara, tsy handoto anao

Na dia tsy miteny sy tsy afa-mitaraina,
Dia tsinjonao amin’ny andon’ny maraina
Ny ranomasonay midradra mitalaho
Fa efa mby an-tratra ny loza mitatao

Ny setroka sy loto, ny fako sy ny lavaka,
Narafitrao ho haingo, entinay miravaka
Vorona azon’adala, ve izahay tontolo,
Rehefa tsy maty, dia mifohafoha volo?

Nanantena ny hiavaka amin’ny Tantara
No nitoeranay teto Madagasikara
Kinanjo aderadera no nilàna anay,
Fa ny fiarovana dia natao alasafay…

Ny bolabola lafo nosoloina ny rongony
Ny sifaka sy sokatra nanjary tsisy intsony
Ny vato sy ny vy nomena ireo vazaha
Atsy ho atsy hihanjaka raha mba hifampitaha

Ilay mena mikoriana zary ratra hirifiry,
Ny trandraka indreo lasa loaka mankadiry,
Ny setroka, haintany sy ny fahantrana,
Efa mby ankoditray nohon’ ny hadalàna.

Aza miteny intsony hoe manankarena ianao,
F’izany no antony hanaovanao ireo tsy fanao
Tsy miasa, misaina, mihary miezaka hamokatra,
Fa mpikapa sy mpandoro ary koa mpisompatra.

Tarainan’ny tany.

© Chris. Christiane Ramian. 

10/05/2016.

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s