« Treizy Mey », Christiane Ramian.

Treizy mey

 

Ny hiverina ho gasy,
Hatrany andakilasy
No nanoloran-tena
Ho an’ny firenena,
Nihatrehana ny bala
Tsy ankisalasala,
Izy ilay tanora,
Maty moramora…

Ny adin’izy ireny,
Verivery teny,
Fa tsy foy indray
Ilay teny frantsay
Ka lasa maramara
Ny teny sy tantara,
Nampian’ilay tonelina,
Ka lavo sy voatelina…

K’ireo kiringa taiza,
Tsy hay hoe aiza ho aiza,
No manampahefana,
Sy manao ireo lalàna
Mitantana ny gasy
Lasa mangasihasy
Fa tsy hainy ny miteny,
Ny tenim-pireneny…

Aiza izao ny zafiny,
Toa nanjary rafiny
Kanosa sy tia tena,
Te hanana harena,
Babon’ny vidy varotra,
Sy fiainana mihasarotra
F’izany taloha izany
Efa hadinony any…

Nanjary natao fitazana,
Ny tantaran-drazana,
Tsy mahataitra intsony
Ny tsiahy tahak’itony,
Ny ady ho an’ny taniny
Mandany andro aminy
Efa tsy te- handre tantara
N’ilay Madagasikara,

Ilay Treizy Mey, ilay kianja,
Tena nanan-danja,
Efa maty ilay hasiny,
Sy ilay teny gasiny,
Notampenany ny vavany
Novàny koa ny tavany
Nasiany rindrim-by,
Hangina ho doria

Treizy mey

© Chris. Christiane Ramian.

13/05/2016.

 –

Hotel de Ville avant 72

Ph. Harlay Ramanana

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s