Fitsaram-bahoaka. Mananara Nord.Sary tsy ho any malemy saina (âmes sensibles s’abstenir).

VAOVAO: Tratra ireo jiolahy 08 nanafika mpandrahaha iray teto MANANARA NORD omaly 01er Mars ka niharan’ny fitsaram-bahoaka ny 06 lahy t@izy ireo. ary nodorana teo anoloan’ny biraon’ny Police eto Mananara omaly. Marihina fa mbola tadiavina ireo naman’izy ireo sy ny Patron ambadiky ny fanafihana mitampiadiana ataon’izy ireo. ny antony namonoana azy ireo dia nohon’ny ‪#‎tsy‬-matoky-fanjakana-intsony-ny-vahoaka satria raha vaotratra ny malaso dia mivoaka hoazy rehefa tonga eo anatrehan’ny manampahefana….

Erak’i Madagasikara dia ahitana « Fitsaram-bahoaka » (Tsy misy ny Fanjakana tan-dalana).

santionany…

SAIKA..SAIKA LAVA – Tsy mamokatra ! « Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay mpamily : ankizivavikely maty nofaohan’ny fiara 4×4 »
Envoyé par: lys-norine (Adresse IP journalisée)
Date: jeu. 12 mai 2016 16:22:25

Na amin’inona na amin’inona dia io SAIKA…SAIKA lava io no mahavoa ny AMBANIANDRO KANOSA tsy tahaka ny amin’ny mponina ivelan’Imerina ! Tonga dia TANTERAHANA eo no ho eo ny kasaina hatao fa tsy mandany andro amin’ny fikamemonana sy ny kabary.« Acta non verba », hoy ny teny filamatra latinina.

Ny fanatanterahana ny fitsaram-bahoaka AVY HATRANY ihany na amin’iza na amin’iza no hany fanafody tokana hahatonga saina ny manam-pahefana Malagasy manoloana ny toe-tsaina amam-pihetsika BARIBARIANINA FANAON’ny mpanefoefo sy ny mpitondram-panjakana na mpanao fanjakana ambony ary ny herim-pamoretana. Efa nisy rahateo tany Etazonia ny hoe « LALÀNA LYNCH », ka karazan’izany lalàna izany ny fitsaram-bahoaka tokony hangalan’ny vahoaka malagasy lesona ka hampihariny avy hatrany manoloana ny fitrangan’ny toe-javatra tahaka itony. Ary f’angaha moa tsy amin’ny ANARAN’NY VAHOAKA MALAGASY rahateo ihany ny famoahana didim-pitsarana ?

Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay mpamily : ankizivavikely maty nofaohan’ny fiara 4×4
Par Taratra sur 10/05/2016

[www.newsmada.com]

Maty tsy tra-drano ilay ankizivavikely 11 taona, nofahoan’ny’ny fiara 4×4 iray, teny Ambohimangakely, omaly maraina. Tezitra ny olona ka NIKASA hanao FITSARAM-BAHOAKA ireo olona tao anatin’ilay fiara nahavanon-doza…

Nihosin-dra INDRAY ny RN 2 mihazo an’i Toamasina noho ity lozam-piarakodia nitranga teny Ambohimangakely ity izay nahafatesana ankizivavikely 11 taona, omaly maraina. Teo akaikin’ny toeram-pivarotan-tsolika Jovenna mialoha ny hidirana an’Ambohimalaza no nitrangan’ity loza mahatsiravina ity. Niaraka tamin’ny renibeny ilay ankizivavikely niharam-boina ka teo am-piampitana ny arabe izy rehefa avy niala taxi-be no notrongisin’ilay fiara avy aoriana. Voalaza fa somary niahotra teo afovoan’ny arabe izy ka sady tsy afa-nandroso no tsy afa-nihemotra intsony ka nohitsian’ilay fiara 4×4 izay hihazo ny lalana mankany Toamasina. “NANDEHA MAFY ilay fiara 4×4 ary NANITSY azy mianaka niampita arabe. Lasa aloha fa taraiky taty aoriana kosa ny renibeny ka notrongisin’ilay fiara ilay ankizivavikely”, hoy ny fitantaran-dRanivoarisoa @#$%& mpandeha taxi-be nahita ny fitrangan’ny loza. Voalaza fa nipitika lavitra mihitsy ilay niharam-boina ka nifatratra tamin’ny arabe ny lohany. Vokany, maty tsy tra-drano ilay ankizivavikely, nandriaka eran’ny arabe ny ra.

SAIKA niharan’ny fitsaram-bahoaka…

Nohamafisin’ireo olona nahita ny fitrangan’ny loza fa SAIKA HITSOAKA ilay fiara, saingy voasakan’ireo ZANDARY MPIAMBINA NY TOERAM-PIVAROTANA solika JOVENNA Ambohimangakely.

[F’angaha natao ho mpiambina ny Jovenna sy ny karazany no hanakaraman’ny VOLAM-BAHOAKA Zandary sy mpitandro filaminana ? Zavatra tsy fahita izany eran-tany afa- tsy eto Madagasikara !]

Nalain’ny zandary avy hatrany izy ireo mba hisorohana ny ain’ireo olona tao anaty fiara, araka ny fanazavan’ireo zandary.

“Tsy nikasa hitsoaka velively izy ireo satria efa nosamborinay ary efa voatazona ao amin’ny biraon’ny zandary hanaovana fanadihadiana manokana momba ity loza ity”, hoy ny fanazavan’ny zandary iray miasa ao Ambohimalaza. Nisy nahatsikaritra ireo olona sasany izay nijoro vavolombelona tamin’ity loza mahatsiravina ity fa TOMPON’ANDRAIKI-PANJAKANA AMBONY NO TOMPON’ILAY FIARA . Tsy mbola nanamafy ny fahamarinan’izany kosa ny zandary satria mbola ao anatin’ny FANADIHADIANA .

[TSY MISY FANADIHADIANA TOKONY HATAO AKORY AMIN’IZANY : « FOURRIÈRE ny fiara – ary tranomaizina ny an’ilay nitondra azy]

Fa NENTIN-KATEZERANA ireo olona nahita ny loza teny an-toerana ary vory lanona vetivety ary NIKASA hanao fitsaram-bahoaka ireo olona tao anatin’ilay fiara namoa-doza. Soa ihany fa nisy ireo zandary niaro azy ireo.

Fantatra fa VAO MATIN’NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA VAO HAINGANA KOA NY RAY AMAN-DRENIN’ITY ANKIZIVAVIKELY ITY . Efa natolotra ny fianakaviany kosa ny razana. Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary.
[Tsy misy ilàna FAMOTORANA akory izany-Ilay zandary no mila fotorana raha tsy mnanasazy sdy managadra ilay mpamily !!

Mananara Nord.

 

 

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s