« Anaran-jazavavy Gasy », Nitiah Nosy.

 

Anaran-jazavavy Gasy

Anaran-jazavavy,
tsy misy ohatr’azy,
madio tsy misy tasy:
ireto anaran-gasy!

Ny tena mahavaka,
ka mampitolagaga:
araka ny hatsarany,
hatrany ilay anarany!

Lova na i Santatra,
tena zana-javatra!
Kanto, Meva, Soa,
Tsy manam-paharoa!

Ravaka, Sahondra,
moa va tsy diamondra?
Raozy, Vonifanja,
ampela manjamanja!

Bozy, Beby, i Lala,
tsy manana sahala!
Peta, Vao na Ketaka,
miangoty sy malefaka!

Felana, Voahirana,
seranany sahirana!
Ry Vero sy ry Hanitra,
endrey toa manimanitra!

Tiana, Irina, Ihary,
niangaran-janahary!
Ando, Ony, lafatra,
soasoa fatratra!

Harena, Rojo, Ravaka,
hafa, tena miavaka!
Sariaka, Tsiky, Mamy,
miran-tava hatrany!

Tantely sy Domoina,
satry foana antsoina!
Na Volana na Nosy,
toa nampanofinofy!

Milanto, Miangaly,
vao hita mampifaly!
Miangola sy Tiavina
soa, tsy azo lavina!

Manja, Vony, Mavo,
nambabo, nahalavo!
Soary, Soanala,
tsotra nanadala!

Ikala na i Mendrika,
marobe no rendrika!
Ikemba, Zoly, Zo,
nampientana ny fo!

Sombiny ihany ireo,
voatanisa teo!
Fa ny tiana ambara:
gasy ireo ka tsara!

Nitiah Nosy
15/05/16
tamin’ny 4ora tolakandro

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s