« Herezo razandry! », Nitiah Nosy.

 

Herezo razandry!

 

Etsy ho babeko ny zandriko izany,
kilometatra maro vao ho tody any!
Endrey ‘ty ianao toa anan’ny dia,
kanefa eh, mideza iry vohitra iry!

Omeo ahy koa ‘lay sandrify holanjaiko,
adidiko izany tsy maintsy hoefaiko!
Eo izatsy izy, aza misalasala,
fa efa mirotsaka ity ny fanala!

F’inona indray ary ity mampiketrona?
Lanaka ve sa ny kibo no refona?
Aza manahy f’efa homanin’i mama,
ny tono vomanga sy koba mafana!

‘Ndao ary asiana kalo iarahana,
hifalifaliana, hanalana ny lalana!
‘Lay mampavitrika ireny hoe hiraina,
hanariana dia, hanambony ny saina!

Ny antsika mantsy latasy isan’andro,
ity dia tongotra, mandrera-dranjo!
Kanefa razandry hotozointsika,
tsy maintsy miharitra mba ho tafita!

Ka esory ny laina fa hisy fotoana,
handrombahantsika an’ilay diplaoma!
Ho reharehan’Ikaky s’ilay Reny tiana,
hanasoavantsika ny akany niaviana!

Hasiana sekoly amin’izay ny tanana,
ny habadoana tsy maintsy hialana!
Ho akaiky fianarana ireto kilonga,
tsy ho rera-dava ka ho dongadonga

Herezo amin’izay razandriko izany,
fa hiadana isika indray andro any!

Nitiah Nosy
17/05/16
tamin’ny 6ora hariva

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s