« Taranaka voazanaka », Christiane Ramian.

 

Taranaka voazanaka.

 

Matoa ny loza tonga,
Dia nisy tsy nisaina
Nifidy hanao somonga,
Ka nilalao ireo aina…

Matoa nisy may,
Dia nisy pitik’afo
Na koa alasafay,
Ka novidiana lafo

Ny tany raha mahantra
Dia tsy dia tan-dalàna,
Zary efa mahazatra,
Ny manao hadalàna

Ny tany tsy mandroso,
Miandry fanampiana
Feno olona mavozo
Kanefa mpanakiana

Matoa ny asa tsy vita
Dia ny resaka no lava
Mampino izay tsy hita
Matin’ny indray ambava.

Ireo rehetra ireo,
Laroina vavabavaka
Dia hoy indray zareo,
Izay no efa lahatra

Tsy nisy izao nitranga,
Raha tsy sitrapoNy
Nefa ny kinanga
No tena itompoany

Ny lanitra no diso
Anilihany ny ditrany
Ny taniny any ankizo
Tsy hainy sy tsy vitany…

Taonjato hafa angamba,
Vao hierina ny saina
Hijery tsy ho jamba,
Hiverina hahay hiaina,

Taranaka voazanaka,
Tsy ho afaka hivoatra,
Mitady izay harapaka,
Tsy natao hanamboatra.

Henatr’ireo razana
Lozan’ ny taranaka,
Vahiny sy mpitazana
Voazanaka hivavaka.

Taranaka voazanaka.

© Chris. Christiane Ramian.

16/05/2016.

 

Madagasikara

a la dérive

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s