« Nandalo hoe…? », Mamitiana Randrianarison.

 

NANDALO HOE…?

 

Nandalo teto hono izany izy izany
Namaha olana sa jery fotsiny…?
Dia dedaka mafy ny iray fitondrana
Tsy mazava loatra ny tafa narosony…

Nandalo teo ny lehibe dia lehibe
Faly daholo fa nandray tanana
Indrisy fahantrana no antsika ry ise
Tsihifina mihitsy ny kely mba ananana

Nandalo teo hono ilay kely maso
moa va nihaino izay mety taraina?
Tsindry hazolena…karazan’ankaso
Ataon’ny ngeza mpitatitra daina

Nandalo teto hono ilay olo-malaza
Ka zovy ny tsy mba hitazana kely?
Hitobaka vola hono…hanao ranolava
Fampanantenana poak’aty no aely

Nandalo hono izy ka moa va nametraka?
ny hany hita eto ny omaly tsy miova
Fihetsiketsehana atao tandra ametaka
Mifandritaka an-karona hoatran’ny foza

NARY. Mamitiana Randrianarison.

18/05/2016.

Iles éparses a 1

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s