« Ohabolana momban’ny omby », Toliara tsy miroro.

Na ho alina. Andriatsilavo Princ

Andriatsilavo Princ

 Ohabolana momban’ny omby

 

– Akohon-kamboty nohitsahin’ omby mifahy, ka samy be amin’ ny azy
– Aleo enjehin’ ny omby masiaka toy izay enjehin’ ny fieritreretana
– Ambohimanambola no matavy omby ka Antananarivo no lafo kitay
– Andevolahy manan’ omby zato : ny tenany aza ahy, mainka ny omby zato
– Andevolahy mamahy reniomby, ka mamindra fo, fa samy haren’ olona : ny omby « aza mifidy vilona », ny andevo « aza maka ny ratsy »
– Antoandro faka ronono ka nilaozan’ ny omby nihahaka
– Ataovy mitombo hoatry ny tohatr’ omby fahavaratra, fa aza atao mihena hoatry ny trafon’ omby ririnina
– Ataovy toy ny tsimpon-tain’ omby ny filan-karena : ny kely azo, atao an-karona, ny be indrindra indrindra
– Aza anganonganoina ny fandroaka omby : omby telo ka atao telo dia
– Aza atao tsy mahazaka manana toa zanak’ omby
– Aza manao fandrin’ omby : mandry, fa tsy lavo loha
– Aza manao lelan’ omby : sady hitsabaka ny am-bava no hitsabaka ny an’ orona
– Aza manao toton’omby bory
– Aza manaratsy tena ohatry ny omby hantsika
– Aza mikafara aman-kena, fandrao mba sendra ny sorok’ omby iray ilavoamena
– Aza mitari-bilona eo imason’ ny omby
– Aza ny tompon’ omby terena no ampisotroina ny hontsam-boa tavo
– Faran’ny omby hena ary faran’ ny teny ifanatrehana
– Fotsimbary tsy ilaozan’ akatatra, lohan’ omby tsy ilaozan-delany, teny maro tsy ilaozan’ ny ota
– Hianareo natao valala fiandry fasana, natao vorompotsy tsy mandao omby
– Hitoto vary, somorina ; hiandry omby, olon-dehibe
– Imandridrano no matavy omby ka Analamanga no telo saoka
– Mamitaka ny mividy omby anaty ambiaty
– Mamoaka omby tokana : vao isa dia tapitia
– Mamoaka omby zato, miandry omby arivo, ka tsy ilaozan’ izay hafa soratra
– Mampihosy omby lava rambo, ka ny mpampihosy no mihosim-potaka mialoha
– Manao dian’ omby jamba ka mivarina ihany amin’ izay tandrifin’ ny loha
– Mandroso midina hoatra ny rambon’ omby
– Maro ny omby any an’ ala fa ny an’ ny Andriana ihany no marani-tsofina
– Maro ny valala, fa ny ambolo no tsara soratra, maro ny omby, fa ny sada no meva
– Matahotra ny hisaorana, ka sady mitady fanakotrehana akoho no indroa mandrotsa-bilon’ omby ao am-pahitra
– Matavy omby, sa maranitra antsy ka mihomehy olona
– Matin-java kely, toy ny omby nisotro tsingala
– Maty vao mizara efatra hoatry ny tandrok’ omby
– Miadan-dratsy toy ny boka mitery omby
– Miainga ila hoatra ny tain’ omby voahitsaka
– Miandry ondry zato, miandry omby arivo, ka tsy ilazaon’ izay hania
– Midodododo amin-doza tahaka ny omby hatao afana
– Miomàna hianareo manana omby, fa ny mahery mandeha aza matin’ ny sasany, hoy Rafotsibe maty kary
– Mirenireny mitady tain’ omby, kanjo ny tain’ omby ao am-bala ihany
– Mitery omby tsy mirohy hoatra an-dRabemalo : ho fatin’ ny daka no farany
– Mizo-poana tahaka ny omby hovonoina
– Mpiandry omby volavita, tsy tompony fa mpamerin doha
– Mpirahalahy mizara dian omby, tsy vaky fa mitriatra
– Mpirahalahy mizara dian’ omby, tsy vaky fa mitriatra
– Na dia mahia lian-kena aza aho, tsy handidy omby am-pitsanganana akory
– Nitondra fitia ila-hoho, ka nahazo fitia tsy omby horona
– Ny omby mahia no hoanina, ny ao ampahitra maha-mena maso
– Ny omby matin’ ny taviny, ny hazo lavon’ ny hitsiny
– Ny omby no namono antoka ka ny kisoa no nahavinitra
– Ny omby singorana amin’ ny tandrony, fa ny olona singorana amin’ ny vavany
– Ny omby tsy maty tsy amin’ ny tendany ary ny hazo tsy maty tsy amin’ ny fotony
– Ny osy : Na mitsangan-tandroka ho omby, na mibarareoka ho ondry, na midingin-drambo ho alika, na manangam-bovona ho lambo, na maniry somotra ho olona, dia tsy miala fa osy ihany
– Ny zanak’ omby tsy ampianarin-domano, ny zanak’ andriana tsy ampianari-mandidy
– Ny zanak omby tsy ampianarin domano
– Omby mahia tsy lelafin’ny namany.
– Omby namidy tsy an’ny tena
– Tahaka ny kibon’omby ririnina, ka mitondra tapany lava
– Vorom potsy tsy mandao omby
– Voky maraina hotran’ny omby ho amidy

Toliara tsy miroro

 –

Malagasy ve ianao miandry omby ririnina

Ph. Malagasy ve ianao.

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s