« Ankamantatra », Nitiah Nosy.

Ankamantatra

 

Iza ary izany?
Nitaiza, nampitafy,
niharitra ny mafy,
sy nahalala nihafy!
iza ary izany?
Nanan-tana-niepaka,
folaka sy reraka!
Nibedy tsy namelaka!
Iza ary izany?
Ilay tsy zarizary,
fa saingy tsy nanary,
raha ory sy narary!
Iza ary izany?
Nanam-pitia tsy ritra,
ka eh nipitrapitra,
raha sendra nisy ditra!
Iza ary izany?
Mahafoy ny ainy,
fa tiany sy lalainy,
ireto sombiniainy!
…..
Iza ary izany?

Nanolotra ny mamy,
nitia tsy mety lany,
tsy iza nefa izany,
f’i « mama » irery ihany!

Nitiah Nosy
21/05/16
Tamin’ny 8ora sy sasany maraina

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s