« Tsinontsinona », Christiane Ramian.


Tsinontsinona.

 

Sady tsy hanorina no tsy hanarina,

Nefa mieboebo sy mitabataba,

Fahakanosana ve no tena marina

Sa mialona fa tsy mba nisy niarahaba?

 

Ny hafa mikaroka miezaka handroso

Na dia lavo aza nitraka sy niarina

Fa ianao kosa endrey nisosososo

Nanangana ny ady tiana mbola hitarina

 

Ny anao ny halatra atao miharihary,

Ny rava sy roba no talentanareo

Ny anao angalarina hatramin-kabary

Vao mahita vazaha dia mimeo omeo

 

Tsy asa tsy zava-bita, tsy jiro tsinontsinona

Kanefa te-ho lohany hievotra hisidina

Ny haingo sy ny hambo nefa tahaky ny inona

Tsy nanaiky raha tsy nanana fiaramanidina.

 

Any izao ny basy efa iaraha-mahalala,

Fa anay ny fitiavana ny Tanindrazana

Mba manampahefana fa aza misary adala

Mba asehoy izay vita fa izahay mitazana.

 

Tsinontsinona.

© Chris. Christiane Ramian.

23/05/2016.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s