Mandritsara, mendri-piderana ny mponina. Tsy nanaiky ireo sinoa tonga handroba ny volamena. (Sobika).

Patrick Raharimanana. 24 Mai. 2016.

Mangotraka ny ao Mandritsara

 

Tsy manaiky ny akan’ny sinoa ny tany ka hanaovan’izy ireo fitrandrahana volamena sy vatosoa ny mponina ao amin’ny Kaomonina ambanivohitra Ambalakirajy, Distrikan’ny Mandritsara.

Nilanja sorambaventy ireo fokonolona ary nitanjozotra nandeha any amin’ny biraon’ny Distrika, mitaky ny fanalana ny lehiben’ny Distrikan’ny Mandritsara satria ampangain’ny Fokonolona ho nivarotra Tanindrazana amin’ireto Sinoa ireto.
Fiara 4×4 efatra feno sinoa no hita aty an-toerana, fa vaky nirifatra nandositra, satria dia nodoran’ny Fokonolona ny tranon’ilay nampiatrano azy ireo.

Mikatona tanteraka ny fivarotana sy ny fampianarana rehetra aty Mandritsara noho ny hatezeram-bahoaka.

Mivory izao ny Lehiben’ny Distrika, ny Komandin’ny Zandarimaria, ny Procureur, ny Sojabe sy ireo olobe eto an-tanàna.

Malaza fa manome tsolotra ireto sinoa, ary nisy aza niaiky fa nanome ireo mpitondra ka izany no hitakian’izy ireo ny fahafahany mitrandraka harena ankibon’ny tany. Voalazan’i Distrika fa mbola fikarohana no ataon’ireto Sinoa, nefa ny Fokonolona efa mahita fa mitaona tany sy vato izy ireo.

Mitohy anio amin’ny telo ora tolak’andro ny fivoriana hitadiavana vahaolana, fa hatreto dia tsy misy manaiky an’izao famarotana Tanindrazana izao ny Fokonolona aty Mandritsara.

Arahitsika eto ny tohiny, fa fantatra fa na ny mpampita vaovao aza any an-toerana dia efa mahazo fampitandremana sy famendrofendroana raha mamoaka vaovao.

(Sary Sobika Mandritsara)
(Sary nihafina ny nakana azy tamin’ny fivoriana farany tamin’ny herin’andro lasa teo)

www.sobikamada.com

Patrick Raharimanana. 25 Mai 2016. 

Mandritsara, milamin-dratsy

 

Taorian’ny tsy faneken’ny Fokonolona ny hitrandrahan’ireo Sinoa ny harena ankibon’ny tany tao amin’ny Kaominina Ambalakirajy distrikan’ny Mandritsara, ka nangatahan’izy ireo ny fialan’ny lehiben’ny Distrika Mandritsara, dia nivory ny manampahefana rehetra tao antanàna omaly, ka tsy hay nahifika ny vahoaka fa nanome 72 ora ny mpitondra Fanjakana ny analana ireo Sinoa mpitrandraka ireo.

Avy dia ny hariva io ihany ny Prefet de région, dia nanome baiko an’ireto Sinoa hiala ao an-toerana mba hiverenan’ny fandriam-pahalemana eo amin’ny mponina.

Natahotra ihany anefa ireto Sinoa ka dia niala tao antanàna. Nimenomenona izy ireo ary nilaza fa hiakatra sehatra ambony satria araky ny voalazan’izy ireo, dia efa nanome vola be sy 4×4 ny mpitondra izy ireo ka nahoana no tsy afaka hitrandraka?

Hatreto dia niverina nivarotra sy nianatra ny mpianatra aty Mandritsara, fa mbola mailo hatrany ny vahoaka ary tsy manaiky ny fivarotana Tanindrazana amin’ny vahiny.

(Tahirintsary Sobika Mandritsara)

www.sobikamada.com

Patrick Raharimanana. 27 Mai 2016.
 Ambalakirajy Mandritsara:
Niverina amin’ny Malagasy ny taniny ary voaroaka ny Sinoa
Novakian’ny Lehiben’ny Distrika teo anatrehan’ny solotenampokon’olona miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana ny taratasy (message) avy any amin’ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany MAMPIATO ny asa fikarohana ataon’ireo Sinoa ato anatin’ny distrikan’i Mandritsara.

Tehaka mirefodrefotra no nandraisana izany kananome fisaorana ireo mpitondra fanjakana eto antoerana moa ireo Sojabe noho ny fahaizan’izy ireo mandamina ny toe-draraharaha ato amin’ny distrikan’i Mandritsara.

Miverina amin’ny Malagasy arak’izany ny taniny ary dia mangoron’entana ny Sinoa.

(Sary Sobika Mandritsara)

Mandritsara 2a

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s