« Zanako izany », Mamitiana Randrianarison.

 

ZANAKO IZANY…

 

Etsy hotantanako zanako izany
Dada ito hanilo ny homban-tongotrao
Ianao anaka mandresy hatrany
Raha mbola mijoro koa ity rainao

Herezo ny saina ry zanako izany
Aza mora kivy raha tojo ady sarotra
Ny zava-sedraina tsy resin-tomany
Isika mahery sy tia karokaroka

Tozoy re ny atao izany zanako izany
Manàna hery hatrany entina hilofo
Hanandratra anao any indray andro any
Ny ezaka vita koa andehana miroso

Raha misy hanampiana ry zanako izany
Aza mba sala na miahotra akory
Raha misy hain’i dada…avia manontany
Zanaka ianao ka tsy maintsy hatoro

Koa dia mahaleova ry zanako izany
Ny anatray foana no ataovy fiaro
Ireny no apinga amin’ny rehetra ombana
Mby rehareha sy hotsongaina amin’ny maro

NARY. Mamitiana Randrianarison.
23/05/2016

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s