« Mampalahelo », Christiane Ramian.

Mampalahelo

 

Marary aho ny amin’ny fireneko
Maloka daholo izay jereko,
Ny vaovao ratsy sady mampalahelo
Ny ratsy no manjaka, sanatria izay helo

Matimboninahitra, manitsaka ny osa,
Matinkaninkely efa difotry ny trosa
Matimatimbola, manao ny tsy fanao
Dia matimaty foana toy ny kalalao…

Ny mpitondra moa tena lava vangy,
Tendakanimbe, indrindra fa i ………
Tanatin’ny roa taona dia indro mpanefoefo
Tsy manampahalalana nefa lasa sefo

Ny Malagasy maro, manonofy sy mikasa
Manantena mafy ny mba hahita asa
Ny fianarana kanefa, tahaka ny varotra,
Zary tefimaika, hakàna tombombarotra

Izany gasy izany efa tsy hay intsony,
Ny zavatra sinoa no nambabo ny fony
Ny aingitra vazaha no mahafatifaty
Na tsy manendrika aza dia arantiranty

Avy eo laroina kely tenin’ny Baiboly
Hanakonana ny saina revon-kolikoly
Rehefa tsy mety tafa ihany ety antany,
Dia aleo indray miloka any andanitr’any

Afangaro daholo ny vavaka rehetra,
Ny 3 V ihany izao no tarigetra,
Fiainamboalavo tsy misy fihavanana
Filamatra ny teny hoe ory hava-manana.

Mampalahelo.

© Chris. Christiane Ramian.

27/05/2016.

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s