Analamanga. « Saro-piaro aho », Christiane Ramian.

antananarivo-wide-e1449085203330-640x360

Saro-piaro

 

Saro-piaro aho,
Raha ny tananako,
Mifono ny tantarako
No hopotehanao!
Anatra ho ahy,
Ny namaha ny fatotrao,
Namela anao nanao,
Ireo loza tsy fanao!

Sanatria tsy hadino,
Iny andro iny,
Mbola tsy mampino,
Ihany ankehitriny,
Ny namotehanao,
Ilay tanana fahiny,
Ary niarovanao
Ny karana sy vahiny…

Tsy hijery fotsiny,
Na hitazatazana,
Hanaiky atositosiny,
Fa hiaro Tanindrazana,
F’izany loza izany,
Tsy an’ilay tananako,
Any aminareo any,
Manao fa tsy raharahako,

Fa saro-piaro aho,
Amin’i Analamanga,
Mbola marefo taho,
Vao mba nanangasanga,
Ilay fanantenana,
Dia tadiavinao ravaina?
Modia raha tsy tamàna
Fa ny ahy mila hajaina.

© Chris. Christiane Ramian.

23/05/2016.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s