« Porofoy fa miha-mahantra hatrany ny vahoaka… » hoy Hery Rajao. « Les preuves ? ».

13244759_1742373689308175_3987101105770676054_n

Tsihombe, avril 2016

Hery Rajaonarimampianina : Izy indray no mangataka porofo amin’ny tsy fahombiazany

Nanao valandresaka tamin’ireo mpanao gazety nanaradia azy tany   Tiorkia  ny filoha Hery Rajaonarimampianina mikasika ny  raharaha  mafampàna misy  eto amin’ny firenena ankehitriny . Tao anatin’izany   no  namaliany ireo  fanakianana mavaivay mahazo ny fitondràna tarihiny  izay niha nahery vaika tato ho ato.  Nanameloka ireo olona lazainy fa manakorontana   eto amin’ny firenena  ankehitriny i Hery Rajaonarimampianina  , na tsy nivantana aza ity farany  nanonona  anarana  dia hita  fa  ny  loholona Lylison  de René  no   tondroiny  ho mpanakorontana  eto .

Araka izany,  hisy hoy ny filoha   ny fepetra  hentitra  ho  raisin’ny  fitondràna   amin’ireo izay  miketrika  hanakorontana  eto.  Mikasika  ny fiaramanidina izay lazaina  fa  novidiany indray dia nanazava  ny filohampirenena   fa  tsy izy Rajaonarimampianina hono no nampianatra izany hoe mividy fiaramanidina izany  fa efa nisy filoha nanao izany teto . Tsy nividy fiaramanidina  izany  hono izy   fa aza saritahana ny saim-bahoaka , fampandrosoana ny firenena ve ny fanaovana  izany  hoy ny fanontaniana napetrany . Mikasika  ny  fiainam-pirenena  ankehitriny indray dia  ny vahoaka indray  no asain’ny filoha manome porofo  mikasika ny  zavatra  mampikaikaika   amin’izao.

Porofoy hoy  ny filoha Hery Rajaonarimampianina  fa miha-mahantra hatrany ny  vahoaka  Malagasy  amin’izao fitondràny izao ,  porofoy  hoy izy fa betsaka noho ny teo aloha ireo tsy an’asa ,  porofoy fa tsy nisy ny fampandrosoana teto  amin’ny firenena  amin’izao  fitondràna izao.  Dia gaga  ny olom-pirenena  naheno ny vaovao nalefan’ny onjam-peom-pirenena nivantana  avy any Tiorkia io  , ny filoha indray ve no mangataka  porofo  amin’ny vahoaka   fa mahantra , sahirana , tsy an’asa  sns… ?  ny mpitondra tokoa moa tsy miaina  izany fahasahiranana izany ka tsy tsapany  ny fahoriana  mahazo ny vahoaka entiny.

Raha mila porofo i Hery Rajaonarimampianina dia  ireo tanora marobe aman’aliny tonga manatitra CV teny amin’ny Magro Ankorondrano  mangetaheta te hiasa no ohatra velona  amin’izany  . Matoa koa  misy  fitakiana  miseho  eto amin’ny firenena dia misy antony ao  , mihevitra mantsy ny fitondràna HVM fa  izy irery   no manana ny marina eto ,  ary  eken’ny vahoaka ; ny fampiasàna ireo  foloalindahy  mpanao hery famoretana anefa  sisa no kofehy mitazona  ny fitondràna   tsy hidaraboka .

13315421_857716224332461_5036869511961514541_n

Les preuves ?

 

Puisque tu as l’air
De ne pas voir,
A défaut de lumière
Ou par manque de savoir,
Je vais te souffler
Ces quelques mots,
Pour te prouver
Que tu as tout faux

Ces enfants errants
En journée ou la nuit,
Délinquants, sans parents
Un avenir détruit,
Ils sont nés au moment
Où tu n’étais qu’un ministre,
Tu n’as jamais eu le temps
De savoir qu’ils existent…

Ces malades à l’hopital,
Qui achètent leurs vies,
Pour oublier qu’ils ont mal
Ils se meurent ou prient
En cette ère numérique
Se fournit avec des dons,
Sinon des petits trafics
Pour un médicament…

Ces écoliers qui s’entassent
Pour un bout d’apprentissage
Près de soixante par classe
Quand on n’a pas d' »écolage »
L’enseignant qui travaille
Pour un moindre salaire
Vêtu tel un épouvantail
Une vie de misère

Ces jeunes qui traînent
Sans carrière, ni espoir
Un chômage qui gangrène
Et remplit les trottoirs,
Ces sociétés à l’agonie,
En faillite et endettés
Ces employés en survie
Que les impôts ont rackettés

Un pays sans lumière,
Sans eau et sans loi
Un peuple qui déséspère,
Se réfugie dans la foi,
En proie aux charlatans
Et ces marchands de rêves,
Déconnectés du présent,
Priant que le monde s’achève

Un pays dépouillé
De ces arbres et trésors
Une terre si souillée
De la boue comme décors,
Envahi par des hyènes,
D’ailleurs et d’ici
Des profiteurs sans gêne
Qui corrompent les nantis

D’après toi on est riche,
Éclatant et avancé,
Je soupçonne que tu triches
En imitant un énoncé,
Combien de fois tu répètais
Des mots et rêves d’autrui?
Un président pérroquet
Qui ignore son pays.

Les preuves?

© Chris. Christiane Ramian

29/05/2016

POROFOY HOE FA NIASA…

 

Moa va hafokana…ao mba valio?
No dia manamaivana iharana itoy
Tsy mba honohono na koa siosio
« Raha mihamahantra hono hoe porofoy »

Moa va tsy ianareo…na ny havanareo?
No miaina ny tsy era…mitady tsy sasatra
Mbola miaritra lava ny andrasonareo
Ny fotoana hitondrana aza efa nisasaka

Moa va tena pahana, sa mody jamba?
minia tsy jinery ny iainan’ny mponina
Manapina maso amin’ny zava-mitranga
Mangalatra lava tsy mahalala onona

Moa mafy fo no tsy menatra mihitsy?
Miliba harena…alahelom-bahoaka
Vahoaka miaritra setran’ny vitsy
Tandremo ihany lahy fa any io hitroatra

Moa lany henatra sa lany ambara?
Milaza fa miasa ary hoe nisy vokany
Asianao mihevotra anaty kabary
Ny tokinao rehetra ity zary lamokany

NARY. Mamitiana Randrianarison
29/05/2016

13327381_10206363993757983_4543704675531859143_n

 

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s