Marc Ravalomanana, Magro Ankorondrano-Fanazavana.

Filoha Marc Ravalomanana : Miady amin’ny olona hitondra fandrosoana ny fitondrana

Niditra tao amin’ny Magro Ankorondrano ny filoha mpanorina ny orin asa TIKO Marc Ravalomanana nijery ny zava-misy tao an-toerana rehefa nisy ny fanidiana tsy ara-dalàna nataon’ny vaditany niaraka tamin’ny miaramila mirongo fiadiana. Nisy ny fanomezam-baovao tsara ho fantatry ny rehetra nambarany tamin’ny mpanao gazety sy ireo tanora nirodorodo nanatitra CV tamin’izany .

ravalomanana-2

Nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana fa ny fifampiresahana eo amin’ny Magro sy ny tranoben’ny varotra ( chambre de commerce ) dia fandraisan’anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena , ny fananan’ny tanora asa dia fampandrosoana ny firenena ihany koa . Henoko ny tenin’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier fa governemanta hiady (combat) no ho hita eto amin’ny firenena manomboka izao , koa aoka hoy ny filoha Ravalomanana mba ho governemanta hiady amin’ny fahantràna , hiady amin’ny tsy fananan’asa , hiady amin’ny kolikoly , fa tsy fitondràna hiady amin’ny olona hitondra fandrosoana eto amin’ny firenena sy ny mpandraharaha Malagasy .
Nazavain’i Dada fa ny tany misy ny Magro eo Ankorondrano dia tsy an’ny chambre de commerce avokoa, ny misy ny Auditorium dia tany novidian’ny TIKO mitokana . Raha mikasika ny resa-bola indray , ny trosa lazaina fa tsy voaloan’ny TIKO dia efa naloan’ny orinasa tamin’ny taona 2015 , fa raha mbola asaina aloa ny vola tamin’ny 2010 nahapotika sy may ny tranombarotra dia tsy maninona na aloa aza raha izay no hampilamina .

Tany natao bail 40 taona io , tokony nisy ny fifampiresahana fa tsy avy hatrany dia manakatona. Tamin’ny novambra 2009 ny Magro dia nangataka ny kaontiny tany amin’ny tompon’ny tany , isambolana izahay mifanoratra foana , fa saingy teo moa ny resaka politika namoahan’ny fitsaràna didy mandraoka ny TIKO teo Ankorondrano tamin’izany.

 Tato aoriana ny minisiteran’ny varotra tamin’ny minisitra teo aloha Rabesahala Henri efa namoaka taratasy namporisika ny Magro hanamboatra ny orinasa ary tokony hisy ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta . Vokany, avy hatrany dia niantso ny mpiara-miombon’antoka aminy ny orinasa TIKO , nandefa ny fitaovana entina hananganana ny trano izy ireo hoy ny tale jeneralin’ny Magro Heritiana R . Ny filoha Marc Ravalomanana dia nilaza fa tsy tokony hanao didi-kofehy lehibe ny fitondràna , niresaka tamin’ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina aho mikasika io tany io hoy izy , nanambara ity farany tamin’izany fa mila mifampiresaka amin’ny tranoben’ny varotra ny Magro dia milamina io.
 Amin’izao anefa, didy tamin’ny 2010 nitondràn’ny mpitondra tsy ara-dalàna teto amin’ny firenena no lasa hampiharina indray izay hita fa resaka valifaty politika fotsiny no nanaovana azy. Ny resaka didy toy ireny anefa hoy ny filoha Marc Ravalomanana dia voafafan’ny fifanarahana ( accord politique ) toy ny any amin’ny firenen-drehetra , efa voasoratra ao anaty lalàna nitondràna ny firenena ny fanomezana ny fananan’ny TIKO potika tamin’ireny fanonganam-panjakàna ireny.
Koa na inona na inona miseho , efa dodona aho hoy Dada hanome asa ireo tanora tsy an’asa sy vahoaka mijaly eto amin’ny firenena , tsy maintsy misokatra ny TIKO na inona hidona na inona hihàtra.

Atalata 31 Mai 2016.

Ny Mpisolovava ny Orinasa TIKO androany.

Arp Helisoa

Miantso fifampiresahana ny TIKO. vonana izy handoha ny vola izay asainy chambre de commerce alohany na tami 2010 tsy niasany aza. Aza atao toy izao ny mpandraharaha Malagasy. ny vahiny aza antsoina ho tonga eto Madagasikara hampiasa ny volany.

Arp Helisoa

Raha misy ny tsy fampiasana ny tany eny Akorondrano dia samy matiantoka avokoa na Tiko io. nany chambre de commerce. indrindra ny Malagasy izay mahazo tombontsoa mivantana aminy

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

2 commentaires pour Marc Ravalomanana, Magro Ankorondrano-Fanazavana.

  1. Christophe MIEGE dit :

    bonjour,

    Pourquoi ne pas faire de traduction Malagasy-Français pour le blog ou ce site ?

    cordialement,
    Christophe Miège

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s