« Porofoy hoe fa niasa… », Nary (Mamitiana Randrianarison).

 

POROFOY HOE FA NIASA…

 

Moa va hafokana…ao mba valio?
No dia manamaivana iharana itoy
Tsy mba honohono na koa siosio
« Raha mihamahantra hono hoe porofoy »

Moa va tsy ianareo…na ny havanareo?
No miaina ny tsy era…mitady tsy sasatra
Mbola miaritra lava ny andrasonareo
Ny fotoana hitondrana aza efa nisasaka

Moa va tena pahana, sa mody jamba?
minia tsy jinery ny iainan’ny mponina
Manapina maso amin’ny zava-mitranga
Mangalatra lava tsy mahalala onona

Moa mafy fo no tsy menatra mihitsy?
Miliba harena…alahelom-bahoaka
Vahoaka miaritra setran’ny vitsy
Tandremo ihany lahy fa any io hitroatra

Moa lany henatra sa lany ambara?
Milaza fa miasa ary hoe nisy vokany
Asianao mihevotra anaty kabary
Ny tokinao rehetra ity zary lamokany

NARY. Mamitiana Randrianarison
29/05/2016

13244759_1742373689308175_3987101105770676054_n

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s