« Fanjakana marefo sy kanosa », « Mbola salama saina tsara ve i Rajao ? », Rivo Albert (Mcm-Tanà).

 .Rivo Albert. 31 Mai 2016.
.

Fanjakana marefo sy kanosa . 

.
Malaza indray tato ato ny fanaovana « perquisition » amin’ny trano fonenan’ireo olona rehetra heverina fa mety hanohitohina ny fitondran-dRajao. Nanomboka tany amin’i Colonel Lylson, nitohy tamin’i Mamy Ravatomanga , Franck Legrand . . . . Ny zavatra hita ary tsapan’ny rehetra dia matahotra fanonganam-panjakana mafy mihitsy ity fitondrana HVM ity ary isaky ny misy fikasana haneho hevitra an-dalambe dia izay resaka fanonganam-panjakana izay hatrany no teny havoakan’ireo mpitondra.


Ny fanontaniana lehibe mipetraka dia ny hoe: AIZA ILAY HOE FANJAKANA MANTAJAKA no matahotra andian’olona mety hanongam-panjakana?
Raha fanjakana mamim-bahoaka, manana ny 90 %’ny sénateur, mahavidy solombavam-bahoaka amin’ny “malette”, manana ny EMMO-REG sy ny jeneraly Florens hiaro, harovan’ny HCC, inona no antony tokony ahatahorana an’izany andian’olona mikonokonona fanoganam-panjakana izany?


Izao zavatra rehetra miseho eto amin’ny firenena izao dia manaporofo fa fanjakana faran’izay marefo no misy eto amin’ity Madagasikara ity. Tsy mba hoe rezimantana miramila iray no mikasa hanongam-panjakana fa olom-bitsy tsy manana tafika, tsy manana fitaovam-piadiana tahaka ny EMMO-REG na manana sénateur mameno ny antenimieran-doholona. Raha fitondrana mamim-bahoaka izany no miongana na ny vahoaka aza hidina andalam-be hiaro azy raha toa ka misy manongana.

Ity fitondrana Hery Rajaonarimampianina ity anefa dia mahalala tsara fa efa tsy misy vahoaka intsony ao an-damosiny fa ny EMMO-REG sy ny Prefet de Police sisa no miaro ny toerany

 Rivo Albert27 mai 2016·

 

Mbola salama saina tsara ve i Rajao ?

 

Rehefa tena mandinika amin’ny zava-drehetra miseho eto amin’ny firenena ny tena, indrindra fa ny fomba fitantanan’i Rajaodia mametraka fanontaniana amin’ny hoe: Mbola salama saina tsara ve ny filoham-pirenena Malagasy sa ahoana? Volana vitsivitsy izay no efa tsikaritra fa lasa miteniteny sy manaonao foana sisa izy ary vao maika nanamafy izany ny filazany hoe “POROFOY AMIKO FA MAHANTRA NY MALAGASY”.

Roa ihany no azo handraisana an’izany teny nataony izany izany dia: Na izy tena manao tsinontsinona an’ireo Malagasy maherin’ny 90% izay miaina isan’andro ao anatin’ny fahantrana lalina ary mandray ny Malagasy ho tena faran’izay vendrana na efa tena tsy “normale” tsara intsony ny sainy ka lasa miteniteny foana sisa.
Izaho manokana aloha raha nandinika tsara dia resy lahatra aho hoe tokony hanaraka fitsaboana manokana izy fa lasa MIVIKA!

 

Ph Rivo Albert 1

13346665_1731045170489262_673433801727480708_n

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s