« Mbola tsy namita-bahoaka hono i Rajao ! », Rivo Albert (MCM-Tanà).

 Rivo Albert. 6 Juin 2016.

Mbola tsy namita-bahoaka hono i Rajao !

Tena mampametram-panontaniana mihitsy hoe: inona no mbola hanekentsika vahoaka ny hitondran’i Rajao antsika kanefa sady manao tsinontsinona izy no miantsy antsika vahoaka.
Dia mbola sahy ihany i Rajao nilaza tany Befandriana Atsimo fa tsy namita-bahoaka hono izy na indray mandeha aza tao anatin’izay fotoana nitondrany izay. Mba ahoana moa no tokony handraisantsika izany teny izany?
Hiarahan’ny rehetra nahita ny zava-misy teto amin’ny firenena ary na ny ankizy aza mahalala ny famitahana ataony raha tsy hiresaka fotsiny ny fanambarana momban’ny fametram-pialan’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo tamin’ny 8 aprily lasa teo iny izay nataon’ny fiadiadian’ny Repoblika.
Fa sao dia heveren’i Rajao fa angano angano sy arira aza ireny fanambarana tamin’ny mpanao gazety nataon’ny gal Jean Ravelonarivo ireny?
Famitahana omby ve sa famitahana rajako ireny fihetsika nataon’ny fiadiadiana ny repoblika ireny?

Tsy fantatra intsony mihitsy izay tena azo hisokajiana an’ity filoha Malagasy ity fa sady efa tsy mahay mitantana, mpivarotra tanindrazana, mpanitsakitsaka ny lalam-panorenana kanefa mbola manao tsinotsinona ny Malagasy ihany.

Hery 4 Juin 2016

 Rivo Albert. 6 Juin 2016.

Rebirebena indray ny vahoaka …

 

Mitady izay fomba rehetra handrebirebena ny saim-bahoaka mihitsy ny fitondran’i Rajao. Fantatry ny fitondrana tokoa fa efa sorena aminy daholo ny vahoaka noho tsy fahaiza-mitantana sy ny adalana rehetra ataony ka zara aza misy an’izao fetim-pirenena izao mba hanodinana ny saim-bahoaka.
Teto amin’ity Madagasikara ity dia mbola tsy nisy ny hoe vao manomboka ny volana jiona dia alefa sahady ny « podium » raha tsy tamin’izao fitondrana HVM mamoa-tsampona izao.


Mazava ary tsy hiadian-kevitra fa fandrebirebena ny vahoaka ny tetika amin’izany mba tsy hitodika any amin’ny resaka politika izay efa tsy misy mandeha amin’izay laoniny izy ireo. Iza tokoa no tsy mahalala fa izany paikady fandrebirebena ny saim-bahoaka amin’ny alalan’ny lanonana izany dia efa tetika fampiasan’ny fanjakana Romàna tamin’izany fotoana izany hanafenana sy hanaromana ny zavatra tsy mety atao?

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s