Magro-Toliara. Gilbert François ministry ny Jono, tsy nanaiky nandray ny tananan’Atoa Marc Ravalomanana.

Gilbert François ministry ny Jono.Ministre des Ressources Halieutiques et de la Pêche

Savorovoro tany Toliara Norahonana minisitra Ravalo

08/06/2016. TiaTanindrazana.

« Tsy mbola vita ny fampihavanam-pirenena Mr le Président, izaho anisan’ny nogadrainao ».

Notandrohin’ny minisitry ny jono sy ny harena an-dranomasina Gilbert François ampahibemaso ny filoha teo aloha sady filoha lefitry ny FJKM ary filoha mpanorina ny orinasa TIKO Marc Ravalomanana, tao Toliara ny alatsinainy 6 jona teo.Tao amin’ny seranam-piaramanidina Toliara no nitrangan’izany, izay nanaitra ny maro tokoa.

Hiaraka handray sidina hihazo an’Antananarivo ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny zanany lahy Maika Ravalomanana izay avy nijery ny hanokafana indray ny Magro tao Toliara sy ity minisitra anisan’ny nahabe resaka ny fanendrena azy ao amin’ny governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier ity, izay avy namita iraka tao Toliara nanatrika ny lanonana tao Maninday fametrahana manaraka ny fenitra akademika ny filoha vaovaon’ny oniversiten’i Toliara, niaraka tamin’ny minisitry ny minisitry ny kolontsaina sy ny fampiroboroboana ny asa tanana Rabenirina Jean Jacques, ity farany izay nisolotena ny minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny Profesora Rasoazananera Marie Monique vaotazona tamin’ny fodiamandrin’ny Tale kabinetrany, Rabesaiky Guillaume na Om-Guy, ary tale iray eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika.

Tsy nety nandray tanana an’i Marc Ravalomanana ny minisitra Gilbert François raha samy mbola tao amin’ny efitra fiondranana ny rehetra fa nanao don-tandroka ampahibemaso, teo anatrehan’ny Senatera sy depiote ary ny lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana.

Izao fihetsiky ny minisitra Gilbert François izao dia ahatsapana fa tsy mpiraharaha ny tondrozotra izay efa lasa lalàna izy ary azo antoka fa  mitsivalam-pandry manao vato manoha riana misakana ny hisokafan’ny orinasan’i Marc Ravalomanana, dia ny TIKO sy Magro ary ny haino aman-jeriny MBS.

Tsy nahatam-bava moa izy nilaza fa “Tsy mbola vita ny fampihavanam-pirenena”. Mazava izany fa fihatsarambelatsihy sy fandaniana andro fotsiny ilay fihaonambe natao teny amin’ny CCI Ivato herintaona lasa izay. Nampirimin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina any anaty vata sarihana ny fehin-kevitra niisa 19 pejy notapahan’ny mpizaika teny.

Ity tranga tao Toliara ity no manaporofo indray fa ny fitondrana mihitsy izao no tsy vonona amin’ny fampihavanam-pirenena, ka tsy mahagaga raha marisarisa toy izao ny fiainam-pirenena, dia io tsy matoky ny fitondrana io ihany koa ny mpamatsy vola. Ny Vondrona Eoropeanina aza moa, tamin’ny alalan’ny masoivohony eto Madagasikara Antonio Sanchez-Benedito Gaspar, naneho ny ahiahiny amin’ny mety hiverenan’ny krizy indray eto Madagasikara. Ny vola 518 tapitrisa euros tokony ho azontsika tao anatin’ny Tahiry eoropeanina momba ny fampandrosoana andiany faha-11 aza 100 tapitrisa euros ihany no mba tafavoaka, noho ny tsy fahamarinan-toeran’ny fitondrana ankehitriny.

Jean D.

Patrick Raharimanana. 7 Juin 2016.

Toliara : Notandrohin’ny minisitra Gilbert François i Marc Ravalomanana

Nanaitra ny tranga niseho tao amin’ny seranam-piaramanidina Toliara ny alatsinainy 6 jona. Hiara-handray sidina iray hiazo an’Antananarivo ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny zanany lahy Maika Ravalomanana, ny minisitry ny jono sy ny harena an-dranomasina Gilbert François, ny minisitry ny kolontsaina sy ny fampiroboroboana ny asa tanana Rabenirina Jean Jacques, ary ny tale iray eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika.

Tsy nety nandray tanana an’i Marc Ravalomanana ny minisitra Gilbert François raha samy mbola tao amin’ny efitra fiondranana sady niteny hoe : « mbola tsy vita ny fampihavanam-pirenena Mr le Président, izaho anisany nampigadrainao ». Don-tandroka tsy nisy toy ity ! Amin’izay ampahibemaso, teo anatrehan’ny Senatera sy depiote ary ny lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana.

Mazava ny resaka fa mbola misy ny kakay, tarazon’ny fitondrana Ravalomanana. Ny fitondrana amperinasa moa mijijy ny fampihavanam-pirenena. Fisehoana ivelany sy fandaniana andro fotsiny ilay fihaonambe natao teny Ivato herintaona lasa izay, dia izao marisarisa izao ny fiainam-pirenena.

Nampirimin’ny fitondrana Rajaonarimampianina any anaty vata sarihana ny fehin-kevitra niisa 19 pejy tinapaky ny mpizaika nandritra izany. Efa tsinjo mialoha ihany ny hitrangan’izany taorian’ny fisintahan’ny Pr Zafy Albert tao anatin’ny dinika. Ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina ihany koa naneho ahiahy fa misy tsy madio fo. Dia naleon’ny amiraly Didier Ratsiraka nangina. I Marc Ravalomanana sisa no mipenimpenina amin’ny antsojay ataon’ny fitondrana HVM aminy.

(Sary Sobika-www.sobikamada.com..

Le directeur de la société coréenne Daewoo Fishirish s’est rendu au ministère de la Pêche et des Ressources halieutiques, à Ampandrianomby, hier. Au nom du gouvernement coréen, il a remis des équipements de pêche au ministre Gilbert François comprenant six cent gilets de sauvetage. De nombreux matériels informatiques ont été également fournis à savoir vingt-deux ordinateurs de bureaux et dix laptop. Pour l’instant, l’accord entre les deux pays concerne la pêche thonière, comme l’a souligné le ministre mais, en perspectives, le gouvernement coréen prévoit de s’investir encore plus dans le social, notamment la dotation de matériel de pêche. La Dépêche de Madagascar O7/05/2016

Facebook.

Koto Andri a partagé la photo de Arp Helisoa.
ny olona MODERNE dia mahay MIFAmpiarahaba , mifapaka sary ………….na tsy mitovy aza ny firehekevitra ry ngahy GILBERT françois.

Vazimbalahy Rabiby à DON-DRESAKA, DON-KEVITRA: VAOVAO POLITIKA – EKONOMIKA – SOSIALY

Toa ohatra izay mpandika lalàna sy mpanao revy mampihomehy ihany no miseho milay eto an-tanàna indrindra rehefa mba mahazo fahefàna kely ry zalahy. Aleo ary ho fantatry ny rehetra fa io minisitra tsy nety nandray tanana an-dRavalomanana tany Toliara io ilay olona nanome ekôlazy 5 miliara ny vadin’ny sasany mba hahazoany io toerana maha minisitra azy ankehitriny io.

Efa zatra ny lalan-dririnina ry lerony ka mihevitr’azy ambony lalàna foana. Nogadrain-dRavalo hono izy dia mbola tezitra h@’izao!!!Raha ilainy dia mbola azo avoaka eto koa ny dossier nampigadra azy fa tsy maninona.Raha hogadraina @’io kolikoly 5 miliara io zany lery dia tsy handray tanana an-dRajao koa rehefa kelikely? Fahalalam-pomba tompoko ny mifampiarahaba sy mifandray tanana indrindra samy olo-mavety sy tompon’andraikitra eto @ Firenena.

Tsy ny olona nandroso ny tanany mihitsy no afa-baraka sy tsy matotra fa ilay olon-dehibe (minisitra) tsy nandray izany.Tsy mahagaga raha mivari-lavo ny Firenena satria ry mpanao kolikoly, mpibizina rongony,mpanao afera bois de rose sy ry dahalo ambony latabatra isany no manjaka. ‪#‎Rajaomianakavy‬ ‪#‎malototanana‬

.
Stanislas ZafilahyIzany ka Ray aman – dreny tokoa e. Na mafy azy ireo ary ny fanenjehana sy fanaratsiana ombieny ombieny. Tsy mety ny fifandrafesana, fa ny fahendrena kosa dia ny miara – miasa mba ho fanavotana ity Firenentsika izay efa difotry ny fahantrana tanteraka. Samy manana ny fahasoavana nomen ‘ ny Ray avy ny tsirairay ka ny fampiasana izany miaraka no anjara biriky hanavotana ny ho avin’ ny Taranaka faramandimby e. SAMIA MAMISAVISA E !
Ph Arp Helisoa

NIjery ny Magro-Toliara izay potika tanteraka (2009) Atoa Marc Ravalomanana.

Ravalomanana nijery ny Tiko Toliara

Fisokafan’ny Magro Eken’ny 92%-n’ny Malagasy

06/06/2016

Mazava ny vokatry ny tsapa-kevitra navoakan’ny Agence Capsule, ary notaterin’ny fahitalavitra tsy miankina TV Plus tao anatin’ny fandaharana adihevitra vokariny isaky ny alahady, “Don-dresaka” omaly alahady 5 jona, fa ny 92%-n’ny Malagasy dia manohana ny fisokafan’ny Magro,

 

orinasan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, hiteraka asa. Manao ny fomba rehetra tsy hisokafan’ity orinasa ity anefa ny fitondrana Rajaonarimampianina. Ho an’ny etsy Ankorondrano manokana dia mifikitra amin’ny didim-pitsarana, nivoaka tamina raharaham-pitsarana tsy natrehin’i Marc Ravalomanana ny Fanjakana. Etsy an-kilany dia odian’ity fitondrana ity fanina ny Tondrozotra izay efa lasa lalàna. Nihazakazahana natao ny fitsarana, fony mbola sesitany tatsy Afrika Atsimo i Marc Ravalomanana, hamerenana ny tany amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria fa hoe tsy nahaloa hofan-tany ny Magro. Tsy mandà ny handoa ny vola takiana aminy ny Magro, ary nandefa taratasim-bola tany amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria mihitsy ny faramparan’ny volana mey lasa teo, saingy naverin’itsy voalohany tsy noraisiny. Na eo aza izay sakantsakana izay dia milaza ny tsy hihemotra ny TIKO orinasa renin’ny Magro fa hitady ny fomba hahafahana manokatra ny Magro. Manaporofo izay fahavononana izay ny dian’ny filoha mpanorina ny TIKO, Marc Ravalomanana tany Toliara ny faran’ny herinandro teo. Nijery ny toerana nisy ny Magro tao an-toerana izy, miomana amin’ny fanarenana sy ny fanokafana ity orinasa ity ao an-toerana. Nialoha io, dia efa nanoka-baravarana nandray fangatahan’asa ny orinasa TIKO. An’aliny no voaray tao anatin’ny roa andro teny Ankorondrano. Maniry ihany koa ny any amin’ny faritra, ny mba hanitarana ny fandraisana fangatahan’asa any amin’izy ireo.

Jean D. TiaTanindrazana

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s