Toamasina. May Bazar kely (6 Juin 2016). Misy mandoro ny Firenena.

Nirehitra ny Bazar kely –Toamasina Trano 20 may kila, olona 60 tsy manan-kialofana

07/06/2016

Nidedaka ny afo tao amin’ny tsenan’i Bazar Kely Toamasina omaly tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Trano 20 no fantatra fa rava tanteraka ary olona manodidina ny 60 no tsy manan-kialofana ary rava fananana.

Tsy nisy kosa ny maty fa ny maratra no maromaro. Nisy ihany koa ny olona sasany main’ny herinaratra satria tapaka ary nilatsaka tamin’ny tany misy rano ireo taribin’ny jirama. Tsy fitandremana tamina tokantrano iray no fantatra fa niavian’ny afo ka nitarika izao fahapotehana izao. Sady toerana fivarotana mantsy no nipetrahana ity tokantrano niavian’ny afo ity. Efa voafehy ny fihanaky ny afo tamin’ny 8 ora sy sasany alina, omaly. Nifarimbona namono ny afo ny mpamonjy voina avy ao amin’ny kaominin’i Toamasina Renivohitra, ny an’ny orinasa Ambatovy ary ny avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina.

TiaTanindrazana

Patrick Raharimanana. 7 Juin 2016.

Toamasina: Bazar Kely en feu.

L’incendie survenu à Bazar Kely hier dans la soirée a laissé 13 familles sinistrées à Toamasina.

(Photos Sobika Toamasina). www.sobikamada.com

Bazar kely 7 P. Raharimanana

Ireo Teo aloha ; Isotry-Tanà, Tsena-Antsirabe, Tsena-Mananjary

May Isotry-tsena. Ravalomanana mivady nidina teny an-toerana.

Guy Rivo RandrianarisoaNirehitra ny alin’ny alahady 15 may tamin’ny 1h ny tsena et isotry. Kila sy potika avokoa ny entana. Vao maraina dia tonga teny antoerana ramatoa Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana niaraka tamin’ny filohan’ny antoko TIM.

Mme Lalao à Isotry 1

Arp Helisoa . Tsy mandry ny sainy filoha Marc Ravalomanana fa tonga tety Isotry izy nankahery ireo traboina may trano.

Guy Rivo RandrianarisoaIzao sisa no tazana taorian’ny fandalovan’ny afo teto Isotry. Mpivarotra kivy sy ketraka noho ny tsindry ary miezaka mitsipona sy mitsindroka izay mbola azo raisina eo amin’ny fairitra novarotany. Nisy nandoro io fa tsy nirehitra ho azy teo hoy ny délégué ireo mpivarotra niresaka tamiko. Mitentina any amin’ny 10miliara ireo entana sy fitaovana may. Entana Fanaovana Trano, Sono, sns maro samihafa.

Mme Lalao à Isotry 2

Rangorindralesoka Zanakandriana Raha dinihina ny momba ireny toerana nisy trano may ireny dia saika toerana tsara fipetraka daholo ary tsiriritin’ny karàna sy sinoa . Matetika rehefa may toa ireny ilay toerana dia afaka volana vitsy na maro dia amoahan’ny tompon’andraikitra lalàna izay manasarotra ny fanamboarana trano eo amin’ny toerana hoan’ny tsy manambola. Voatery mivarotra ny toerana hoan’ny mpanambola ireo nanajary ny toerana. Ary eo indrindra no manararaotra ny tompon’andraikitra amin’ny kaominina sy ireo namany karàna sy sinoa maka ny tany…Mampanontany tena arak’izany hoe sao ireo mitetika hahazo ny tany na mitetika hanala ireny trano hazo amin’ny toerana tsara fipetraka ireny no manakarama olona handoro ireo trano?

Tsenan’ny tantsaha-Antsirabe sy Mananjary, levon’ny afo.

Antsirabe : Potiky ny afo ny tsenan’ny tantsaha Andrefantsena

 

Nanomboka tamin’ny 6 ora hariva no nijoalajoala ny afo teny Andrefatsena, ao amin’ny tsenan’ny tantsaha Antsirabe. Tany amin’ny 8 ora alina tany, mbola tsy maty ny afo. Araka ny fantatra, trano iray no niandohan’ny fahamaizana ary dia nihanaka tamin’ireo fivarotana hafa teo akaikiny izany.  Efa tamin’ny 7 ora sy sasany alina vao nisy mpamono afo tonga teny amin’ilay toerana, mpamono afo avy ao amin’ny « groupe SOCOTA ». Sarotra, araka izany ny famonjena ireo entana rehetra izay voalaza fa vokatry ny tany tokony hamidy ny ampitso maraina. Ny tena nahatonga saina ny rehetra, ny nafitsok’ireo mpanararaotra tonga handroba fotsiny. Tsy vitsy izany, hoy ireo nahita ny fandehan-javatra.  Eo amin’ny 30 eo ho  eo ny fivarotana kila tanteraka.

Velom-pimenomenonana ny mponin’Antsirabe amin’izao fotoana iao. Telo volana lasa izay no nampanantenaina izy ireo, fa hisy ny mpamonjy voina ho an’ny kaominina any an-toerana. Hatramin’izao anefa, tsy mbola misy izany. Tanana iray lehibe manaraka ny Renivohitra anefa Antsirabe, raha ny fivelatry ny tanana sy ny hamaroan’ny mponina no lazaina.

Andry N. Redaction Midi Madagasikara

Patrick Raharimanana

 Antsirabe : Trano 41 may, 80 traboina

Goavana tsy hita pesipesenina ny fahavoazana ho an’ireo mpivarotra tao amin’ny tsenan’ny tantsaha vokatry ny haintrano tao Antsirabe ny harivan’ny alarobia 13 aprily. Trano “hangar” niisa 6 no may ankoatry ny trano hazo nitoeran’ny olona no sady fivarotana ka nitontaly 41 ireo trano may ireo.

80 mahery amin’izao fotoana no tsy manan-kialofana. Tonga nijery ny fahavoazana ny Ben’ny tanàna Razanakolona Paul androany ka nitondrany fanamarihana fa tsy tokony hitoeran’ny olona ny tsena fa izay hatrany no olana satria tato anatin’ny tapabolana izao dia in-droa no nahamaizana trano fivarotana toy izao.

Nomarihiny koa fa hisy fepetra amin’ny fananganana trano hazo satria saika io hatrany no fototry ny haintrano ao Antsirabe ity.
Nanolotra vary 2 taonina ho an’ireo niharam-boina ny tanànan’Antsirabe. Harenina faran’izay haingana ity tsena ity ary hisy ny fepetra apetraka amin’ireo mpivarotra ara-dalàna hiditra ao anatin’izany.

(Sary Sobika Antsirabe)

 

IZA NO AO AMBADIKA ?

Frank Ramangasalama (15 avril 2016).

Antsirabe afo.

Aiza ve de lasa misy trano may foana isanandro aty Antsirabe !!!

Toliara tsy miroro 14/04/2016.

Mananjary – Les flammes dévastent le Bazar Be

Un violent embrasement a secoué Mananjary pendant quatre longues heures. Les flammes ont ravagé près d’une centaine de magasins de gros, au Bazar Be.

Un grave incendie s’est abattu, sur la place du Marché, hier en fin de matinée.

Selon un le bilan provisoire communiqué par la gendarmerie locale, une centaine de commerces sont partis en fumée, et plus de trois cents sinistrés sont répertoriés.

En livrant bataille aux flammes déchaînées, des victimes du sinistre, ont été légèrement blessées. Désem­parées en voyant leurs biens anéantis par les flammes en un éclair, quelques unes ont perdu connaissance face à ces scènes de désolation. Ce sinistre s’est produit en fin de matinée aux alentours de 11heures à Ankadirano, lorsque le Bazar Be a été la proie de ce violent embrasement.

L’incendie a éclaté dans une salle de projection de film, pour se répandre à grande vitesse vers les commerces du marché, dont des magasins de gros.

Panne sèche
À la lumière des enquêtes de voisinage, effectuées par la gendarmerie, le feu s’est déclaré sur le toit de la salle. Alors que les victimes s’en sont pris à la Jirama, dénonçant un court-circuit, survenu sur la ligne de transport électrique, sur laquelle est connecté le quartier, cette dernière est, convaincue que l’origine du sinistre se trouve dans le câblage de la salle, et elle entend mener une investigation, pour tirer au clair ce qui s’est passé.
Les secouristes ont eu fort à faire pour venir à bout de l’embrasement. L’incendie faisait rage lorsqu’une trentaine d’éléments des forces de l’ordre, dont des gendarmes, des policiers, ainsi que des hommes de l’administration pénitentiaire, sont venus à la rescousse.

«Faute de moyens suffisants, lutter contre cette déferlante de flammes qui s’est emparée du Bazar Be, n’a pas été une tâche aisée. Nous avons dû emprunter trois motopompes afin de pouvoir utiliser l’eau du cours d’eau, qui passe à proximité», explique le commandant de la brigade territoriale de la gendarmerie de Mananjary.

Faute de carburant, l’unique fourgon pompe-tonne de la ville n’a pas pu intervenir à temps, d’autant plus que l’équipe dépêchée sur les lieux s’est heurtée à un manque de matériel. A défaut d’avoir une motopompe pour utiliser l’eau du canal des Pangalanes, le véhicule devait faire le plein, à chaque fois que sa citerne était vide. Avec l’intervention tardive des «sapeurs pompiers volontaires », le fokonolona et les forces de l’ordre ont utilisé les moyens du bord et ne sont venus à bout de l’incendie que vers 15 heures. Toliara tsy miroro 14/04/2016.

 

Sary Rasolofomanana Jean Théodore.

Mananjary may a

Mananjary b

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s