« Ririnina amoron-dalana », Christiane Ramian.

Ririnina amoron-dalana.

 

Mangina mamanala
Izany alin’eto izany
Nilaozan’ny mazava,
Hadinon’ny masoandro
Endrey misinda miala,
Mihataka any aho any
Ireo nanao ranolava,
Nijery tavan’andro…

Isika sisa ny eto,
Mandry anaty lalana,
Mirongo voro-damba
Miandrandra ny lanitra
Atelina ny sento
Fa matin-kanoanana
Fa nanadino angamba
Ilay hoe Andriamanitra

K’aleo hikimpy maso,
Hamafa ny androany,
Hanala havizanana,
Dia hametraka kapoaka…
Ilay mitobaka ankaso
Ilay henatry ny tany
Vesatry ny mpanana,
Halan’ny vahoaka…

Fa efa farahidiny
Ambany nohon’ny biby,
Tsy mendrika ny hiaina,
Mpijirika mpanendaka…
Indrisy fa tsy fidiny,
Fa lova nifandimby,
Izay no takatry ny saina,
Fa donto kely endaka…

Fa ngamba any andro iray,
Ireto zanatsika,
Mety hanambitana,
Ho lavitry ny lalana…
Hianatra hahay,
Tsy hahalala hatsiaka,
Hamiratra toa kintana
Hahavita fianarana…

Ho fantatsika roa,
Ny valin’ny babena,
Ny fanaka, fandriana
Sy rindri-manjopiaka
Oay aleo hifoha!!!/
Fa nofy nampivena,
Rediredim-panaviana,
Nohon’ity hatsiaka../

Ririnina amoron-dalana.

© Chris. Christiane Ramian.

9/06/2016.

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s