« Ataotavy mihitsy e », Nary (Mamitiana Randrianarison).

 

ATAOTAOVY MIHITSY E

 

Sambory sambory hoe ireo mpanakiana
Anareo moa ny toerana, ataovy izay mety e
Toa tsy tantinareo izay hoe fanitsiana
Roa taona tsy alavitra fa vetivety e

Ambeso sy arovy izay namanareo
akolita hatrizay ireo na tsy hanao inona
Fa mba asio maso ireo vahoaka ireo
Mba nifidy anareo nefa iniana hampanginina

Mikevokevoa indray fa niasa ianareo
Nivoaka matetika an-dafin’ny riaka
Raha tsara ny maso dia avia aloha jereo
Ny ataon’ny vozongo izay eto amintsika

Manaova lanonana indray hoe jerena
Izany mantsy no sisa mba atolotrareo
Tsy mpitondra ianareo fa mpangoro-karena
Ka raha any hoe hiongana dia mba aikeo

Lokoy ny tanàna… Izay taza-maso ihany a
Mba mody hita hoe fa tena mandroso e
Hoe resy tanteraka i Rafahantrana a
F´izany e vao nisy filoha mba nilofo e…

NARY, Mamitiana Randrianarison.
12/06/2016

 

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s