Fanambarana Mapar-Tgv . Heloka ny « Miaka dapa », ohatra ny 7 Février 2009 ?

Nantenaina Oly. 11 Juin 2016.

 Kobokoboin’ny rariny ka milaza tsy anontaniana. 

Raha nitondra ny fiarovantena momba ny kolonely Lylison ny MAPAR dia nilaza ny mpitondra teny fa tsy meloka ity loholona ity satria tsy niantso olona hiaka-dapa.

Mazava izany fa heloka ny vitan’izy ireo tamin’ny 2009.

.

Mapar... niaka-dapa

Rajoveloniaina Rabe. 1é Juin 2016.

ANDRASANA IZANY ZAO NY FISAMBORANA NY MPITARIKA NY MAPAR REHETRA MANOMBOKA ANY AMIN-DRAJOELINA SATRIA NIAKY NY MANAMPAHAIZANA AO AMIN’NY NY ANTOKO FA HELOKA NY MIANTSO OLONA HIAKADAPA .NAMBARAN IZY IREO FA TSY HITANY IZAY HISAMBORANA AN SENATEUR LYLISON SATRIA TSY NIANTSO OLONA HIAKADAPA IZY .

HAY MOA HELOKA NY MIANTSO OLONA HIAKADAPA? MAZAVA IZANY FA IANAREO NO NAMONO OLONA SY NANDIKA LALANA TAMIN NY 7 FEBROARY 2009. NY DOMELINA IHANY SISA NO TSY MAHATAKATRA NY DIKAN’ IZANY .TENA JIOLAHIBOTO IRAY TRANO .

MAPAR Andry Rajoelina 

 FANAMBARANA

Manoloana ny namoahan’ny fitondrana ankehitriny didy fampisamborana ny loholon’i Madagasikara voafidy LYLISON René de Roland, dia manao izao fanambarana izao ny vondrona MAPAR :
– Hampanjakaina tanteraka eto amin’ny firenena malagasy ve ny jadona ka tsy azo atao intsony ny fanehoan-kevitra demokratika ?
– Ny loholona LYLISON René de Roland dia tsy nanao afa-tsy ny nanambara ny tsy mety eo amin’ny fitantanana ny firenena araka ny andraikitry ny loholona voalazan’ny andininy faha-68 ao amin’ny Lalam-panorenana momba ny fanaraha-maso ny asan’ny governemanta sy ny fanaovana tombana ny politika-panjakana.
– Anjaran’ireo ao amin’ny fahefana mpanao lalàna rahateo ny mipetraka ho arofanina ho an’ny fahefana mpanatanteraka, dia ny filohan’ny Repoblika sy ny governemanta.
– Koa heloka sy fahotana mahafaty ve ny fijoroana hilaza ny marina momba ny zava-misy mampangirifiry iainan’ny malagasy rehetra ankehitriny izay efa nambaran’ny Fivondronan’ny Eveka Katolika sy ny Société Civile ihany koa ary indrindra indrindra mampikaikaika ny vahoaka rehetra isan-tokantrano manerana ny nosy satria tena mianjady aminy ?
– Sa apetraka ho zava-pady ve ny fiarovana ny vahoaka sy ny fitiavan-tanindrazana ka sokajiana ho « FLAGRANT DELIT » ?
– Fanonganam-panjakana ve ny niantsoan’ny Loholona LYLISON René de Roland ny mponina hisaina am-pahanginana tany an-tokantrano tsy misy korontana, ary hampisaina am-pilaminana ny mpitondra momba izao zava-misy eto amin’ny firenena izay efa mahavaky vava ny rehetra na eto an-toerana na any ivelany, indrindra ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena sy ny fiandrianam-pirenena izao ?
– Ny vondrona MAPAR dia manambara fa adidin’ny olom-pirenena rehetra tia tanindrazana, indrindra ny olom-boafidy, ny miteny momba ny fitantanana ity firenena iaraha-manana ity, na momba ny sosialim-bahoaka izany, na ny ara-toe-karena, na ny politika.
– Manameloka ny tsy fanarahan-dalana amin’izao didy fampisamborana ny Loholona LYLISON René de Roland izao ary tsy hanaiky izany fisamborana izany.
– Aoka hatsahatra ny fitiavan-tena sy ny kolikoly ary ny fanaovana varo-boba ny harem-pirenena sy ny tanindrazana fa aoka ny tombon-tsoan’ny Malagasy manontolo tsy ankanavaka no tena hokatsahina.

Masina ny Tanindrazana
Ny Fitiavana no lehibe indrindra

Sary : MAPAR Andry Rajoelina 

 –

7 Fevrier 2009

Gazety Valosoa Rakoto 5 février 2015 ·

 

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s