Mahamasina, Makis naharesy ireo Zambiana, Olivier Mahafaly… Siotsioka sy horakoraka no azony… Rivo Albert (Mcm-Tanà).

Rivo Albert. 13 Juin 2016.

Nahazo ny anjarany ny praiminisitra…

Siotsioka sy horakoraka tsy nisy toy izany no nahazo ny praiminisitra Mahafaly Olivier omaly tolankandro raha tonga nijery ny lalao izay nifanatrehan’i Makis de Madagasikara sy ny Zambia tetsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina.

Fahafaham-baraka, izay no azo handikana ny nahazo ny praiminisitra ary efa nampoizin’ny rehetra ihany ny ho fihetsikiny mpijery baolina lavalava izay miaina ao anatin’ny fahasiranana lalina tahaka ny 90% ny vahoaka Malagasy. Nahazo ny anjarany aloha iny izay ny praiminisitra fa mbola ho avy ihany koa ny an’ny filoham-pirenena amin’ny faha 26 jiona izao.

Efa mandeha be moa ankehitriny ny resaka ary efa azo antoka fa efa manomboka manarama olona eny anivon’ny fokontany ho eny Mahamasina ny fitondrana amin’io 26 jiona io mba hialàna amin’izay siotsioka sy ny horakoraka izay. Omaly mantsy tsy nisy olona nokaramaina handeha ho eny Mahamasina fa ny mpijery baolina ary mbola nandoa 5 arivo vao tafiditra tao.

Fitondrana efa halam-bahoaka mbola miziriziry tsy mety miala eo amin’ny toerany ihany. Amin’ny 26 jiona isika mahita azy!!!

 Rivo Albert. 13 Juin 2016.

 

« Gouvernement de combat » : Aiza ihany e, roa volana aty aoriana . . .

Roa volana tokoa izao no nitsanganan’ity governemanta Mahafaly Olivier ity izay nambara fa hoe governemanta tena hiady hanalàna ny vahoaka ao anatin’izany fahantrana lalina izao. Amin’ny fo tsy miangatra sy fijery mahitsy no hametrahana izao fanontaniana izao hoe : tena miroso mankany amin’izay tokoa ve ity governemanta ity ? Ny olom-pirenena tsirairay angamba efa mahalala tsara ny valiny.

Tsy misy mihitsy ny finiavana hanova zavatra fa ny hatramin’izay ihany no hita ankehitriny. Aiza ilay Governemanta miady amin’ny kolikoly? Na ireo masoivoho vahiny monina sy miasa eto amitsika aza mahita fa tsy misy mihitsy ny finiavan’ny mpitondra hiady amin’izany kolikoly izany.
Izao dia nantsangana indray ny rafitra vaovao hiady amin’ity kolikoly, entina handaniana vola fotsiny indray ve ? Hanampy trotraka ny BIANCO efa tsy misy ilaivana azy ?
Raha vao mitsangana eo ity rafitra vaovao ity raha tena miasa marina dia tokony mandray an-tanana ny dossier Claudine Razaimamonjy. Eo no tena ahitàna raha tena vonona hanao ny asany ity “cellule” vaovao ity.


Avoahay daholo amin’izay ireo dossier rehetra e!

 

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s