« Andao hanefa adidy », Christiane Ramian.

 

Andao hanefa adidy,

 

Aoka aho tsy halahelo be androany,
Fa hataoko teboka aloha ny tomany,
Fa hatomboko anio izay nokasaiko,
Hamita ny adidy tsy mandamina ny saiko…

Hitondra ny biriky ho an’ny firenena,
Tsy misy tetik’ady na ankaterena,
Fa ny fo mitempo sy ny mahaolona,
Dia izao no hitako fa ilay tena tolona,

Hitondra sombintsiky imolotry ny ory,
Hitondra hafanana entiny matory
Hitondra sombikintana hanazava ny aliny,
Hikarokarok’hevitra mba hitondra valiny,

Isaorako etoana ianareo mivady,
Nampianatra ahy nitia sy ho tia nitady,
Nanoro ny adidy sy ilay Tanindrazana,
Hanefa izay atao tsy mila hotambazana,

Isaorako sahady ireo hanampy ahy,
Ireo nahafoy tolotra tsy mba niahiahy,
Ireo nanolo-tena hanefa any antoerana,
Ny fiainana anie, hivatsy fanonerana,

Andeha hiaraha mitrotro ireny zaza ireny,
Fa olantsika koa ny vesatra babeny,
Fantatro fa sarotra fa hiezaka isika,
Tsy afa-miandry intsony fa tena mangatsiaka.

Andao hanefa adidy,

© Chris. Christiane Ramian.

15 Juin 2016.

Sary nindramina.

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s