« Code de la communication », loza ho an’ny firenena. Rivo Albert (Mcm-Tanà). G. Rivo Randrianarisoa.

 Rivo Albert. 15 Juin 2016.
.

« Code de la communication », loza mitatao ho an’ny firenena.

Entin’i Rajao mankany amin’ny jadona ny firenena, izay no azo handikana an’ilay volavolan-dalàna mifehy ny serasera na ny « Code de la communication » izay efa dinihana eo anivon’ny Antenimieran-doholona amin’izao fotoana izao.
Aoka hazava tsara amintsika vahoaka fa tsy ireo mpanao gazety ihany akory no lasibatra amin’ity lalàna vaovao ity fa isika olom-pirenena mpaneho hevitra amin’ny alalan’itony tambazotran-tseratsera itony ihany koa dia tena voakasika amin’izany.

Mazava tsara ny voalaza ao anatin’ny andininy faha 20 ao anatin’ny « loi sur la cybercriminalité » fa ireo rehetra, na mpanao gazety na olon-tsotra, mamoaka vaovao diso na manaratsy sy manala-baraka olom-panjakana dia mety ho voasazy migadra an-tranomaizina ary mandoa lamandy hatrany amin’ny 100 tapitrisa ariary.
Isika mpanao ampamoaka na mitsikera an’ireo JIOLAHY eo amin’ny fitondrana ireo izany dia tsy afaka haneho hevitra intsony rehefa mihatra ity lalàna vaovao mifehy ny serasera ity. Tsy adala ireo mpanao gazety izay tsy voavidin’ny « malette » raha manaitra ny sain-tsika olom-pirenena mba hijoro tsy hanaiky izany volavolan-dalàna izany satria ny zo fototra mamehy ny fanehoan-kevitra mihitsy no vonoin’izao fitondrana HVM izao.
Io moa dia fomba fanao any amin’ireo firenena izay mbola voafehin’ny didy jadona, tapenam-bava ny vahoaka sy ny olom-pirenena mba hitazonana ny fahefana .

 Guy Rivo Randrianarisoa. 15 Juin 2016.


 Code Communication: Tsy mbola tonga eto aminay Solombavambahoaka ny volavolan-dalàna momba ny serasera na ilay hoe Code de la Communication.
Mahagaga anefa fa Efa dinihina ry zareo loholona na senatera izy io androany ( séance plénière ) ka mametraka fanontaniana daholo ny depiote ato hoe ngaha moa tsy miainga avy amin’ny Solombavambahoaka aloha vao mandeha senatera ny dinika? Terena handany io amin’ny tsanga-tanana fotsiny indray ve zahay kanefa ny session efa ho tapitra?
Lalàna mafonja io ka tsy tsara atao izany.

 

La liberté d'expression est un droit

 –

Code. Guy Rivo Randrianarisoa

Tsimbazaza. Sary G Rivo Randrianarisoa

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s