« Izaho sy ianao », Christiane Ramian.

 

Izaho sy ianao

 

Na dia mainty sy manjombona aza,
Ny lanitra izay lolohaviko,
Raha tampenan-tsy hivaza
Ny saiko noho ilay hoaviko
Na ndeha foroninao daholo
Ireo lalàna mba hanginako,
Hisy foana izay azo hasolo,
Hitenenako izay hitako

Raha hatoritory ianao,
Fa sendra seza hiadanana,
Na eo ampelatananao,
Ny fomba rehetra enti-manana,
F’izaho sy ireto sandriko,
Hiady ho an’ny tsindrianao,
Ny fisainako tsy mandriko,
Raha izaho no antoeranao.

Fa na lavitra aza aho,
Hitodika amin-tanindrazana,
Tsy hiandry izay talaho,
Na hovidiana sy tambazana,
Hatsangako ny saina gasy
Ho hitan’ny hafa firenena,
Tsy ho foiko hangasihasy,
Fa mamy loatra ny an’ny tena

Izaho sy ianao

© Christiane Ramian

Christiane Ramia. 16 Juin 2016. Colombes, Ile-de-France ·

 

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s