« Kamboty velon-dray », Nitiah Nosy.

Kamboty velon-dray!

Tsy zarizary teny foana,
ny fiainanay hatramin’izay
mbetika matory noana,
fa nilaozan-dray mpiahy!
Zary toa mipitrapitra,
raha miantso dada ny hafa;
fa ny tena mafy indrindra,
ny tsiaro anao tsy ho voafafa!

Tadidy ireny sangisangy,
fony dada mbola teto;
ny rotsirotsy, tambitamby,
ra’ sendra nolalovan-tsento!

Kinanjo tampokampoka iny,
dia hoe lasa hono ianao,
namela anay tsy manan-tsiny,
tsy hanan-dray hatramin’izao!

Nanjary fahoriana hatrany,
no hany mba anjaranay;
tsy ampy dada ilay akany,
toa misaona hatramin’izay!

Nizaka ny tsy laitra i Neny,
raha vao iny ianao nandao;
toa tsy ho efan’izy irery,
ny adidy nandosiranao!

Ry dadanay lasana any,
tsy mahasaraka izahay!
mba lalovy kely ihany,
fa e, kamboty velon-dray!

Nitiah Nosy – Poeta

 17 juin ·

 

 

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s