« Misy Ray… », Nitiah Nosy.

« Miarahaba ny ray rehetra n’inona toerany, na toa inona toetrany.. dia i dada “dada” foana, fa nahitana masoandro! » Nitiah Nosy.

 

MISY RAY…

 

Misy ray ‘zao any ho any,
manafin-drery ny tomany ;
miady mafy nefa indrisy
ny ho vimbinina tsy misy!

Any mantsy misy ray,
maty tampoka tsy nahy;
ka tanambokovoko ihany,
anjaran-janany eto an-tany!

Fa misy ray milefa adidy,
namela ireo tsy manam-pidy;
hanjeny sy hangahiahy,
ho zaza very tsisy mpiahy!

Misy ray ‘zay tokantena,
nilaozam-bady, mahonena;
mamelon-jaza samirery,
miantoka ny toeran-dreny!

Misy any am-pigadrana,
resin’adim-pahantrana;
‘lay sarin-janany iny sisa,
ekeny ho solom-paradisa!

Misy ray sendra ankaso,
ory, latsa-dranomaso;
nandevin-janaka Malala,
mivena, mila ho lasa adala!

Fa misy ray mipitrapitra,
ny sombiniainy anie maditra;
fanina mandraikiraiky,
mila ho kivy, lany haiky!

Misy anefa amin’ireny,
tretrika fa tò teny!
Ary tena fahasambarany,
ny fahendren’ireo taranany!

N’inona aza mety toetrany,
tsy voasolo raha ny toerany!
Iaraha-miaiky hatramin’izay,
fa manan-danja koa ny ray!

 

Nitiah Nosy.

19 Juin 2016.

 

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article a été publié dans Non classé. Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s