Fetim-pirenena 2016. Antananarivo-Carnaval.

 CUA serasera. CARNAVAL 2016.
.
.

 Fanokafana ny carnaval de Madagascar, lapan’ny tanana Analakely io maraina io (17 Juin).

.

Nisokatra tamin’ny fomba ôfisialy androany maraina teo Analakely ny «Carnaval de Madagascar» andiany faharoa, karakarain’ny Foibemparitry ny Fizahantany eto Antananarivo (ORTANA).

Telo (3) andro no haharetan’ny hetsika eo amin’ny Araben’ny Fahaleovantena, tafiditra ao anatin’ireo fety aman-danonana samihafa hankalazana ny Fetimpirenena 2016.

Nandritra ny lahateniny no nanasongadinan-dRamatoa Ben’ny Tananan’Antananarivo Lalao Ravalomanana ny maha-ambohipihaonan’ny soatoavina sy kolontsaina malagasy manerana ny Nosy an’Antananarivo, mandritra izao Carnaval izao. Norariany mba ho fanoitra lehibe ho an’ny fizahantany ny hetsika toa itony, satria tena fihaonambe maneho ny firaisankina madio sy fifanomezan-tanana. Ananantsika ny harena na ny ara-kolontsaina na ny ara-javaboahary tsy fahita firy, hoy Ramatoa Lalao Ravalomanana. Sady hahazoana mampahafantatra an’i Madagasikara an’izao tontolo izao izany, hoy izy, no fanoitra hoentintsika mandresy ny fahantrana sy hanomanantsika ny soa ho an’ny taranaka any aoriana.

Teo am-pamaranana ny lahateniny dia nirary ny isan-tokantrano, tamin’ny alalan’ny Fiadidiana ny Tananan’Antananarivo, mba samy hifaly ao anaty filaminana sy hafaliana mandritra ny fetin’ny Asaramanitra, Ramatoa Ben’ny Tanàna.

Ny Minisitry ny Fizahantany Roland Ratsiraka no nisolotena ny fitondrampanjakana sady nanokatra tamin’ny fomba ôfisialy ny andiany faharoa amin’ny Carnaval de Madagascar.

CUA - Antananarivo.

 –

Carnaval Tana Ph Malagasy aho 1

Carnaval Ph Malagasy ve ianao

Carnaval Tana Ph Malagasy aho 8

Carnaval Tana Ph Malagasy aho 5

Tana carnaval 3

Tana carnaval 2

Tana - Carnaval Arp Helisoa b

Danseurs Androy Ph. Jeanne Richard RFI

Carnaval Tana Ph Malagasy aho 7

Carnaval Tana Ph Malagasy aho 9

Carnaval Tana Ph Malagasy aho 3

Carnaval Tana Ph Malagasy aho 2

Carnaval Tana Ph Malagasy aho 6

Carnaval Tana Ph Malagasy aho 10

Carnaval Tana Ph Malagasy aho 4

Carnaval Tana Ph Malagasy aho 11

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s