Beroroha, Bilomalaza. Nitiah Nosy, Christiane Ramian. I’ll remember you…

Ho fiaraha-miory…

 

Ran’ny Malagasy no indreo nitabatabaka,
vatana efa rotika no hita miampatrampatra!
Dia Noho ny sotasotan’ireo mpampihorohoro,
reraka ny saiko e! Ny foko torotoro!

Atsangako ny saina, saingy izy hitomany,
hilonjitra, hisaona ho ambany dia ambany!
Fa gasy toa ahy no injao mamelovelo,
namoy ny havan-tiana, vesaran’alahelo!

………………………………………………………….

Ry malagasy namako o! Fotoana mety izao,
hanairana indray ny ao an dapa ao!
Ry ‘zalahy mantsy variana miaro ny azo,
ninia nanao zinona vahoaka efa ho lavo!

Ry manam-pahefana o! Malagasy ianao,
Inoko ianao ho tohina raha manoloana izao,
k’ hisaina hampiato izay efa voaomana,
na hanim-pito loha, na fety aman-danonana!

Ataovinao ho anatra ‘zao voina mihatra izao,
fa ny ain’ny Malagasy no nolalaovinao!
Tsy nampiraika anao ‘reo adiny hatrizay,
dahalo, fahantrana, ny jaly mahamay!

Mba mandiniha tena, ‘ra tsy mahavaha olana,
mametra-pialana fa tsy miandry haongana!
Fa efa mila ho fefika tokoa i Gasikara,
sao tratra farany eo, ho adinin’ny tantara!

Nitiah Nosy. 23/06/2016.

Bilomalaza aho androany,

 

Hitraka tsy hitomany,
Fa hanesika hanontany
Hoe mba aiza ihany???
Ny fiarovana ny aina,
Mitrongy, mitaraina,
Miaina antaintaina,
Tsy misy mba misaina?

Fa ady amin’iza loatra,
Ireny nandroandroatra,
Fony nanamboatra
Fitondrana hoe hivoatra?
Iza no fahavalo,
I Lily sa Ravalo,
Fa ireo dahalo,
Avelany handalo…

Rehefa tsy hay dia miala,
Fa aza misary adala,
Hita fa tsy mahalala
Dia mbola misalasala,
Be izay maty izay,
Sy izay ratsy fantatray,
Mialà, aok’izay,
Fa tena LEO izahay!!!!!!!!!!

Leo tanteraka!

© Chris. Christiane Ramian. 23/06/2016.

I’ll remember you.

War and crime.

 

 

Every where in the world

People are fighting for freedom

Nobody knows what is right

Nobody knows what is wrong

The black man say it’ s the white man

The white man say it’ s the black man

Indians say it’ s the coloureds

Coloureds say it’ s everyone

Your mother didn’ t tell you the truth

Cause my father didn’ t tell me the truth

Nobody knows what is wrong

And what is right

How long is this gonna last

Cause we’ ve come so far so fast

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s