« Soamahamanina : misy mihaino ve ianareo ry vahoaka ? », Rivo Albert (Mcm-Tanà).

Soamahamanina : misy mihaino ve ianareo ry vahoaka?

Tsy fantatra intsony ny teny tokony hitenenana an’ity fitondrana HVM ity fa tena efa mampiteny ny moana mihitsy. Tahaka ny ahoana no tokony handraisana ny fehitsikiny fitondram-panjakana manoloana ny zava-misy any Soamahamanina amin’izao fotoana izao? Vao tamin’ny Alatsinainy teo, no niarahan’ny rehetra nahita ny fahamaroan’ireo olom-pirenena maro mijoro miaro taniny ary tohanan’ny EVEKA Katolika, tany izay alain’ny sinoa amin’ny ambogadiny ary tsy tahotra tsy henatra ity orinasa sinoa ity manantanteraka lanonana fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fitrandrahana volamena ao an-toerana . Fanamarihana amin’ny fomba ofisialy izay hatrehan’ ireo solontenam-panjakana ary mifandimby mandray fitenenana.


Asa hoe inona no azo handikana an’izany fihetsikiny fitondram-panjakana izany? Maivana loatra angamba raha lazaina hoe: MANAO TSINONTSINONA NY VAHOAKA.

Na nijoro teo akaikin’ny vahoaka aza ny fiangonana katolika, tsy manaiky an’izao fangalaran’ny sinoa ny tanim-bahoaka izao dia hoy ny fanjakana hoe: Misy mihaino ? Izany ve no atao hoe fanjakana miahy ny vahoakany? Sady amin’io, tsy misy mihitsy ny fanazavana momban’ny fifanarahana natao tamin’ity orinasa sinoa ity!

 Rivo Albert.

lire : Orinasa sinoa Jiuxing. Fitrandrahana volamena tsy ankasitrahany vahoaka, Miarinarivo-Itasy.

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s